airtel

Politique

04-oct-2021

Politique

Tonga amin’ny fetrany ny fitondrana Efa hatreo no todin’ny baka-pilesiny

Sample post image

Tsy misy sori-dàlana mazava ny fitantanana ny firenena Malagasy fa mandeha amin’ny kisendrasendra.

04-oct-2021

Na ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina aza tsy resy lahatra amin’ny politikam-pirenena novoiziny sy nandreseny lahatra tamin’ny propagandy, raha tsy hilaza afatsy ny hoe: tsy ilaina ny mitrosa amin’ny mpamatsy vola mahazatra fa mampahantra ny firenena, ary tsy handroso isika na amin’ny 2030 aza. Nambara fa isika indray aza no hampindrana an’I Kaomoro. Kofona sy tsy misy atoraka anefa ny Fitondrana raha vao tsy misy famatsiam-bola sy trosa. Misavoamboana ny ambara fa programan’asa IEM izay tsy fantatra intsony ny fisiany. Ilay PEM izay drafitra sy programa hoenti-manatanteraka ny IEM tsy nisy tohiny intsony, raha nambara fa aoriana kelin’ny 19 janoary no hanaovana izany. Raha hiverenana sy tsiahivina, dia ny volana febroary 2021 no nifandresy lahatra tamin’ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ny Fanjakana. Nivoitra tamin’izany, fa ny PMDU (Plan Mulisectoriel d’Urgence) no hotohizana hatramin’ny volana jona teo. Taorian’izay, tsy nisy tohiny intsony na IEM na PEM, ary ireo famatsiam-bola dia saika mifandraika amin’ny resaka fanarenana taorian’ny covid-19, izany hoe mbola manakaiky kokoa an’ilay PMDU. Mbola miezaka mitady trosa etsy sy eroa, toy io resaka “téléphérique” 150 tapitrisa euros io, fa tsy araka ny nolazaina ny 2018 fa efa vonona ny ara-bola sy ny mpamatsy vola. Raha habean’ny tetikasa tanàna vaovao mety manodidina any amin’ny 5-6 miliara dolara, raha ny hita any ivelany, ka aiza no ahitana an’izany ? Halefa mitsitokotoko eo aloha izay mety zavatra takatry ny vola ny fananganana azy na mitady fifanarahana misy tambiny goavana, na mivarotra tanindrazana araka ilay kabary tetsy amin’ny Coliseum ny 03 novambra 2018. Ny fiainana ara-tsosialy sy ny vidim-piainana tsy hidina izany, fanafarana entana no hireharehana, fa ny fanondranana marefo, hidina mazava ho azy ny sandam-bola, izay mizotra any amin’ny fidanagan’ny vidim-piainana. Sarotra ny hanantena fahagagana, tsy hisy Fanjakana handeha hanala baraka tena ho tsy mahavita izany, fa io izany no tsara indrindra vitany, io no mety todin’ny bakam-pilesiny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap