airtel

Politique

22-janv-2024

Tontolo politika

Nodimandry i Riribe

Sample post image

Nodimandry ny harivan’ny sabotsy 20 janoary lasa teoi RAKOTOMALALA HENRI na Riribe

22-janv-2024

no nahafahantaran’ny maro azy teo amin’ny tontolon’ny politika.
Izy no filohan’ny FEDEP na « Fédération des Ex-Détenus et Victimes Politiques de Madagascar). Tsy salama efa andro maromaro ity mpanao politika mpanohitra ity, ary notsaboina tamin'ny klinika tsy miankina teny Ankadifotsy avy eo nifindra teny Anosibe saingy tsy tana ny ainy. Tsy marina noho izany ny filazana fa maty nosamborina sy novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, araka ny resaka niely tamin’ny tambajotran-tserasera izy, fa noho ny tosi-dra niakatra ka nisy tapaka lalandra tamin’ny lohany, hoy ny loharanom-baovao. Efa kandida ho depiote tao amin’ny Distrikan’i Toamasina I ny tenany tamin’ny taona 2019. Tao anatin’ny fanoherana no tena nahalalana azy, nisy fotoana efa nisintaka kely tamin’ny mpanohitra, saingy niverina, ka tsy nitsitsy fitenenana tamin’ireo heveriny fa tsy fanjariana nataon’izao fitondrana izao. Anisan'ny nanamarika azy, ny fandraisana anjara tamina tolona maromaro. Teny ahatsiarovana azy tamin'izany ilay hoe "tsisy miala aketo niany." nandritra ireny hetsika fotsy notarihin’ny Firaisankinan’ny kandida ireny. Ny nahitana azy niseho farany dia izy mbola tonga nanatrika ny fanokafana ny taom-pikatrohan'ny RMDM ho an'ny taona 2024 tamin’ny 10 janoary lasa teo. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany manontolo isika eto amin’ny Gazety Tia Tanindrazana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap