airtel

Politique

08-juin-2023

Politique

Tontolo politika Nodimandry omaly i Hary Naivo Rasamoelina

Sample post image

Nodimandry teo amin’ny faha-67 taonany omaly 07 jona 2023 tamin’ny 01 ora maraina Atoa Hary Naivo Rasamoelina, andrarezin’ny politika,

08-juin-2023

isan’ny nanamarika ny tantaram-pirenena. Aretin’ny fo sy ny voa no nandavo azy satria voalaza fa efa tsaboina amin’ny alalan’ny “dialyse” izy, saingy izao tsy tana izao ny ainy. Mpikambana teo anivon’ny Birao politikan’ny Arema tamin’ny Rapoblika II-IIInanangana ny Antoko DHD Madagascar na Dina Maha-olona ho an’ny Demokrasia, efa Filoha lefitry ny filankevitra ambonin’ny tetezamita. Isan’ireo Malagasy nalefan’ny Filoha Ratsiraka nandeha niofana tany Russie nandritra ny 6 taona tany amin’ny taona 1980, ka ny KGB (sampam-pitsikilovana Rosiana) mihitsy no nampiofana azy. Isan’ireo Malagasy manana mari-pahaizana ambony momba ny fitsikolovana sy antotam-baovao na “renseignement” sy mpamolavola paikady noho ny fiofanana azony, nianatra siansa politika ihany koa,.. Nahitsy fiteny sy firesaka izy teo amin’ny tontolon’ny politika. « Ny fiarovana ny tombotsoa sy ny zo n'ny olompirenena ho velona no ambony indrindra. Tsy ny seza na toeram-pahefana no maha maika fa ny fahefam-bahoaka marina. Tsy ny miolakolana na mifampialonalona eo amin'ny samy antoko no tandrovina fa izay hiraisana hanafaka ny olompirenena amin'ny geja sy fahoriana mahazo azy. Tsy ny hifaninana sy ny hanao sakay sy maso no maha vaha ny olampirenena ankehitriny fa ny fifanatonana sy fifandeferana ary ny firaisankiana”, hoy ny novambra 2022 nandritra ny famondronan-kerin’ny Vondrona Panorama izay isan’ny mpikambana ao anatin’io ny DHD Madagascar.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap