airtel

Politique

05-sept-2024

Tontolo politika

Tafita ny mpanohitra raha mahay miray hina

Sample post image

Efa nanomboka nafampana ny tontolo politika tamin’ny herintaona tahaka izao mialohan’ny fifidianana filoham-pirenena ;

05-sept-2024

maro ireo kandida efa nihetsiketsika sy nanao pré-campagne ka nitety toeran amaro manerana ny nosy. Rehefa maro loatra ny tranga mampiahiahy ary anisan’ny tena goavana tamin’ireny ny fahafantarana fa hay mizaka ny zom-pirenenba frantsay ny filoham-pirenena am-perinasa ary izy mihitsy no nangataka izany. Notoherin’ny maro an’isa tamin’ireo kandida io hoe filoha vazaha mbola mahazo milatsaka ho fidiana io, notakiana ihany koa ny fanamboarana ny firafitry ny HCC sy ny CENI mba tena ho fifidianana azo atokisana sy madio marina jo atao eto fa tsy sanatria sarintsarina fifidianana. Dia raikitra moa ny diabe sy ny hetsika fotsy, mafimafy ny adihevitra, nisy ny fifandonana, maro ireo naratra, nisy namoy ny ainy , nisy nosamborina sy nampidirina am-ponja ihany koa. Na dia hita nikorapaka ihany aloha ny antokon’ny fitondrana, tsy te hahalala hatramin’ny farany izy ireo fa dia natao letrezana ny fifidianana ary lany fanindroany i Andry Rajoelina.
MILA MIRAY HINA
Amin’izao septambra 2024 izao, taorian’ny fifidianana solombavambahoaka ary nanehoan’ny mpifidy ny safidiny dia hita mazava be fa nihena ny herin’ny antoko eo amin’ny fitondrana indrindra fa ho an’ny eto Antananarivo renivohitra sy ny tanàn-dehjibe sasany manerana ny nosy. Na ny firafitry ny governemanta aza dia nahitana taratra fa nakisaka ireo olon’ny fitondrana mpisolelaka sy mpanao vava be. Raha ny tena marina dia miha mahazo tanjakna izany ny mpanohitra amin’izao fotoana, ary ny fihetsiky ny fitondram-panjakana mampiasa indray ireo mpitandro filaminana mba hanakatsakanana ny mpanohitra dia vao miha manaratsy endrika ilay fitondram-panjakana ary mametraka zavatra ao an-dohan’ny olona hoe io indray ilay jadona. Raha tena mahay paikady politika noho izany ny mpanohitra dia tsy maintsy hisy akony any amin’ny fifidianana ben’ny tanàna izao zava-misy izao ka mety mbola hitombo hatrany ny faharesen’ny antokon’ny fitondrana. Misy fepetra kosa anefa ny fahatanterahan’izany dia ny hoe : tsy maintsy miray hina ny mpanohitra fa tsy manao an’ilay samy maka ho azy dia idiran’ny fanjakana moramora dia rava indray ny tsena.
RTT
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap