airtel

Politique

22-mars-2022

Politique

Torolalana fanorenana ny firenena Namoaka boky kely ny CFM Antananarivo

Sample post image

Isan’ny ezaka ataon’ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy na CFM ny fanorenana ny firenena. Ohatra iray, hoy ny filoha lefitra misahana an’Antananarivo,

22-mars-2022

ny atao ao amin’ny kaominin’Andriambilany izay masomboly mbola voatahiry sy voafantina tsara amin’ny fiainana fihavanana. Rehefa nifampiresahana tsara tao dia atao ohatra ry zareo ho aparitaka indrindra avy eto amin’ny faritan’Antananarivo. kaominina miisa 25 eo angamba izay no efa noresahana izany ary misy aza tonga dia any amin’ny fokontany mihitsy no resahanay azy ary izay iresahana izany dia resy lahatra. Misy mbola misalasala hoe mafy be izany. Ho tafaverina ve? Misy kaominina tonga dia efa manomboka sy mahazo tombony amin’ny fampiharana ilay antsoina hoe “Kianja maitso” na amin’ny resaka fitantanana raharaham-panjakana io. Mitombo ny hetra, mitombo ny asa famokarana, mandeha ny fahadiovana, manomboka milamina ny olona, mandeha ny fotodrafitrasa. Tonga dia amin’ny herin’ny fokonolona fotsiny izao. Nanamboatra tetezana izao ry zareo tany Andranomadio dia tetezana mirefy 437 metatra handehanan-tongotra fa vita. Mbola tsy tonga ny volan’ny hopitaly sy ny karazany fa ny olona tonga dia manamboatra. Miteraka fanantenana izany saingy misy fotoana rehefa mirehitra koa moa ny jiron’ny fanantenana dia misy mitsoka jiro, mamono afo. Misy ezaka mafimafy ho atao ato ho ato ho fitoriana izany fihavanana izany. Isika Malagasy rehetra mihitsy no antsoina sy irariana hiaina izany, hoy hatrany ny CFM, sampana Antananarivo. Antony namoahana ny boky kely mirakitra ny torolalana momba izany sy ho fampahafantarana ny efa vita ary ho aparitaka amin’ireo kaominina hafa izany, hoy izy ireo.

J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap