airtel

Politique

16-mai-2022

Politique

Toromarika tsy voahaja Manahy rotaka ara-pifidianana ny Eoropeanina

Sample post image

Mitohy ary mihamafy ny fampanenoana lakolosy ataon'ny sehatra iraisam-pirenena mombana lafin-javatra maro eto amin'ny firenena.

16-mai-2022

Efa nisy mantsy ny fanairana nataon'ny Vondrona Eoropeanina vao roa herinandro eo izay, nanitrikitrika fa mila milamina sy tony ny fahafaha-mandraharaha sy mampiasa vola na "climat des affaires" eto, ary tsy vitan'ny Fanjakana irery ny fampandrosoana fa mila homena sehatra malalaka sy antoka ny sehatra tsy miankina. Nilaza ihany koa ny Banky Iraisam-pirenena fa afaka 70 taona vao ho tonga amin'ny toerana misy an'i Rwanda amin'izao amin'ny lafiny toekarena sy fandrosoana raha tsy misy fanatsarana sy fanavaozana ny lamina sy ny paikady ara-toekarena. Vao ny faran'ny herinandro teo indray, naneho sy nampahatsiahy ny tokony hanavaozana sy hanintsiana ny làlam-fifidianana ny Vondrona Eoropeanina. Mampahatsiahy tamin'ny alalan'ny iraka mpanara-maso ny fifidianana fa efa hatramin'ny taona 2018 no namoaka toromarika samihafa na "recommandations" momba ny lalàm-pifidianana, toy ny fahaleovan-tena tanteraka ho an'ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI indrindra amin'ny lafiny ara-bola, ny fahalalana maneho hevitra, ary ny fanaraha-maso ny famatsiam-bola amin'ny politika. Fotoana tokony hararaotina ary ampy tsara hanintsiana ny lalàm-fifidianana sy ny pitsopitsony izao fivoriana ara-potoanan'ny Parlemanta izao izay maharitra 30 andro nanomboka ny 30 may, ary afaka mijery fotoana hafa ihany koa rehefa tsy tratra aorian'izay, raha ny fanehoan-kevitry ny Lehiben'ny iraka mpanara-maso ara-pifidianana Christian Preda. Tokony hiainga amin'ny samy Malagasy ny fanatanterahana ireo fanintsiana, ary tokony hiara-hamolavola ny lalàna hoenti-mitondra ny fifidianana ireo herivelona rehetra voakasika, raha ny fanamarihana. Nialohan'ny nanaovany io fanambarana io, nisy ny fihaonana hatrany amin'ny 40 nataon'ny Vondrona Eoropeanina tamin'ny sehatra sy tompon'andraikitra samihafa, ka anisan'izany ny Filohan'ny Repoblika, Antenimierandoholona, Antenimieram-pirenena, Fitsarana avo momba ny lalampanorenana, CENI, Minisiteran'ny serasera sy ny kolontsaina, komisionina mpanara-maso ny fiainana ara-politika, solontenan'ny Antoko sy Vondrona politika, firaisamonim-pirenena, solontenan'ny sehatra iraisam-pirenena,... Tsy tongatonga ho azy izao fa mety efa manahy olana goavana ara-pifidianana ny Vondrona Eoropeanina. Ny fifidianana 2018 dia maro ny lesoka, nekena ho lany ara-dalana ny Filoha ankehitriny fa toa tsy lany ara-drariny, ka heverina ho isan'ny antony tsy ananany faharimarinan-toerana hatramin'izao. Ahiana ny mety hisian'ny fipoahana sy ny rotaka amin'ny fifidianana, ka efa manipy ny hametrahana fitsipi-dalao mazava ny iraisam-pirenena. Ny tsy fahatanterahan'ireny toromarika ataony ireny ihany koa dia mety tsy hampivoaka na hampihisatra ny famatsiam-bola samihafa.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap