airtel

Politique

10-mars-2021

Politique

Tranga hafakely tsy fahita Nitokana kianja fampiadiana akoho ny Filoha

Sample post image

Natolotry ny Filoha ankkehitriny tamin’ny fomba ofisialy omaly ny Kianja manara-penitra fampidiana akoho ao Morafeno Antsiranana.

10-mars-2021

 

Toerana manan-tantara, ary mampahatsiahy tantara lehibe. Nandalo tao volana vitsy lasa, dia hoe hamboarina manontolo ny toerana. Rehefa nandalo teo, dia nantsoina mba hijery adin’akoho tamin’izany. Ny taranja baolina kitra mahazo kianja manara-penitra, ka nitaraina ny mpampiady akoho. Nomena fampanantenana, fa hahazo kianja manara-penitra ny mpampiady akoho, hoy i Andry Rajoelina. Natolotra omaly io, “izao no atao hoe fampiadiana akoholahy manara-penitra voalohany”, hoy hatrany izy; zavatra tsy fahita hatramin’izay naha Madagasikara an’i Madagasikara ny filohan’ny repoblika mitokana kianja fampiadiana akoholahy. Nampanantena fa hotokanana tsy ho ela ny « stade » tsy lavitra io fampiadiana akoho io. Nosantarina tamin’ny alalan’ny adin’akoho moa ity toerana ity, ary isan’ny nijery izany i Andry Rajoelina. Tsy misy zavatra kely, tsy misy zavatra lehibe, fa ny ataontsika, dia mba hahazo izay tandrify azy  rehetra. Notokanana omaly ihany koa ny “maison de la culture” any Antsiranana. Tsy hoe ratsy ireny, fa tena havanana amin’ny endrika ivelany sy ny sehoseho ny fitondram-panjakana. Moa ve laharam-pahamehana ho an'ny vahoaka tokoa ity fanaovana kianja manara-penitra hampiadiana akoho eo anatrehan’ny fahasahiranana misy? Sa rehefa revorevo amin’ny adin’akoho ny olona dia adino ny vidim-piainana tsy mitsaha-midangana. Isan’ny efa nitondra fanakianana ny Depioten’i Toamasina i Atoa Roland Ratsiraka, fa tsy anjara asan’ny filoha ny fanaovana kianja manara-penitra. Zaran’ny Fanjakana aza anefa misy an’ireny hanehoana fa miasa sy manao zavatra. Zary lasa niteraka fanehoan-kevitra sy kivazivazy maro samihafa moa ity fitokanana fampiadiana akoho ity. Isan’izany ny hoe: ny sabotsy izany mivavaka dia alahady miloka any amin’ny adin’akoho ?

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap