Fitaovana entina hanampiana ny olom-pirenena hanao safidy malina, voalanjalanja sy voasaina tsara amin’ny fifidianana io. Andraikitra sy adidy lehibe iantsorohantsika olom-pirenena izany safidy izany ka aleo dinihana tsara, sao sanatria diso mantsy ny safidy ka mety hamarina ny firenena any an-kady, hoy ny TI-MG. Isan’ny tanjona lehibe ao anatin’io ny hoe: “Fifidianana fa tsy fividianana”. “Tena misy ny volabe mitobaka sy mifamezivezy ao anatin’ny fifidianana, ary betsaka ny kolikolim-pifidianana ary misy mihitsy ny sasany mikendry sy mandraviravy vola hividianana ny mpifidy”, hoy Rtoa Ketakandriana Rafitoson Sekretera mpanatanteraky ny TI-MG nandritra ny fampahafantarana an’io torolalana io omaly no nanehoany. Ezaka ny fametrahana fahintsiana sy safidy amin’ny rariny, manabe sy mampahafantatra ny voka-dratsin’ny kolikoly tsy amin’ny fifidianana ihany fa amin’ny andriny rehetra. Endriky ny kolikolim-pifidianana avokoa ny fizarana zavatra, t-shirt, vola,… ka antony iray isan’ny nitondra nakany amin’ny fahantrana, hoy ny TI-MG. Ao anatin’ny horonan-tsary fohy manazava an’io ihany koa no nitondrany fanazavana sy fanentanana hatrany ny kandida izay efa somebiseby mba hamoaka amin’ny fomba mangarahara ny loharanom-bola, ary manentana ny mpifidy mba ho efa somebiseby amin’ny fiatrehana ny fifidianana, ka hianatra hifidy. Natao noho izany “Hayfidy” io hanampiana ny olom-pirenena mpifidy mba hahay hifidy ka misy ny mason-tsivana sy fisafidianana napetraka ho an’ny rehetra tsy an-kavaka. Misy teboka 4 tsara ho fantatra: olona manana toetra tahaka ny ahoana no tokony hofidiana? Inona avy no anjara asan’ny Filohan’ny Repoblika raha ny lalàmpanorenana no jerena? Inona avy ireo singa tokony ho hita ao anatin’ny programan’asan’ny kandida iray? Nahomby ve raha olona efa nitondra teo aloha, ary inona no tena dikan’ny fahombiazana ao anatin’izany? Ny tena zava-dehibe anefa, dia teboka 6 lehibe hisintonana ny sain’ny mpifidy, ka raha misy olona 10 na 30 aza hilatsaka hofidiana eo dia afaka ampiasaina foana io. Misy ny fafana, milahatra eo ireo kandida, milahatra eo ireo mason-tsivana,… Hasaina hameno an’io ireo kandida, ka homen’ny mpifidy tsirairay naoty hijerena hoe: iza no tokony hofidiana. Mahatratra 11 tapitrisa anefa ny mpifidy, ka izay liana hameno an’io dia entanin’ny Transparency International mba hanoratra amin'ny dieny rohy manokana https://bit.ly/HayfidyForm dieny izao raha liana hiofana amin'ny fampiasana ity Hayfidy ity na olon-tokana io na fikambanana.
Toky R
Miitatra ny lonilony ara-pifidianana, tsy mijanona intsony amin’ireo heverina fa hery mpifanandrina fantatra
Notanterahina omaly alakamisy 13 febroary 2025 teny amin’ny Antenimierampirenena ny fihaonana
Ny zava-miseho rehetra ankehitriny dia vokatry ny fifidianana, hoy ny antoko politika Teza.
Namana enina (6) mpiaro ny tanin’ny mponina voatazona atao andrimaso (garde a vue)