airtel

Politique

04-mars-2022

Politique

Tsindry ara-diplaomatika Manomboka sahirana ny Fitondrana

Sample post image

Namoaka fampitam-baovao nanamafy ny tsy fiandaniana eo anatrehan’ny ady any Ukraine ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny Malagasy omaly, saingy nahagaga fa nofafana.

04-mars-2022

 Efa hitan’ny maro ary niparitaka anefa ka naverina indray, ary nohidiana ny fahafaha-maneho hevitra tamin’ilay fampitam-baovao. Somary mahagaga hoe : inona no anton’ireo fihetsika ireo ? Naneho ny Fanjakana, fa miady amin’ny fanajana ny lamina sy ny fepetra momba ny fizakan-tena ara-tanin’ny firenena manana fiandrianiny sy ny taniny amin’ny Mmaha mpikamban’ny Firenena Mikambana, izay toa endrika fanehoana fitoviam-pijery amin’ny Tandrefana. Mivoy ny dingana am-pilaminana raha nisafidy ny tsy fiandaniana amin’ny antsy na ny aroa « non-alignement » mba ho fanajana ny soatoavinan’ny Fihavanana,… Nanamafy ny ahiahiahy farantampony momba ireo vahoaka sivily ary maneho fihombonana amin’ireo lasibatra sy ny akaiky azy, ireo olona voatery nifindra toerana ka isan’izany ireo teratany Afrikanina sy Malagasy,... Miantso ireo voakasika mba hisoroka ny fanapahan-kevitra tsy azo hivalozana miteraka fahafatesan’olona sy voka-dratsy amin’ny lafiny maha olona. Miahiahy mafy manoloana ny voka-dratsy ateraky ny ady amin’ny toekarena maneran-tany izay efa marefon’ny krizy ara-pahasalamana. Maniry sy mandrisika ny hisian’ny fifampiresehana am-pilaminana mizotra makany amin’ny fifanarahana ara-diplaomatika manatsahatra ny fampiasan-kery sy fitaovam-piadiana. Nanamafy izany tamin’ny alalan’ny tambajotra Tweeter ny Filoha, ka nilaza fa tsy mbola tara ny fiverenana amin’ny fandriampahalemana. Ny votoatin’ny latsa-bato tao amin’ny ONU dia maneho ny tokony hisintahan’ny Rosianina any Ukraine sy hanatsaharana ny fampiasan-kery ka heverina fa karazana pi-maso eo anatrehan’ny tsy fahafaham-pon’ny Vondrona Eoropeanina eo noho ny tsy nanamelohantsika an’i Russie sy ny tsy nanaovantsika latsa-bato ihany ity. Tsy te ho ratsy eo anatrehan’ny andaniny sy ny ankilany, ka misabaka ny Mpitondra Malagasy, saingy tsikaritra ho tratry ny tsindry ihany, ka manomboka sahirana sy mitady tsy hahatazona ilay tsy fitanilana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap