airtel

Politique

31-juil-2023

Politique

Tsio-drivotry ny korontana aty Afrika Efa mandondom-baravarana raha tsy mitandrina!

Sample post image

Miharatsy hatrany ny tsio-drivotra politika aty Afrika, raha ny sary mitranga any Afrika Andrefana. Taorian’ny tany Mali, Burkina Faso, Guinée,

31-juil-2023

dia tratry ny fanonganam-panjakana ara-miaramila ihany koa ny Filohan’I Niger Mohamed Bazoum ny herinandro lasa teo. Im-balo nisy fikasana hanongam-panjakana tao an-toerana nanomboka ny 2021. Iny ny fanongam-panjakana faha-219 niseho taty Afrika hatramin’ny taona 1952. Lasa kianjan’ady hatrany i Afrika satria saika misy dian-tànan’ny firenen-dehibe matetika, ka toa tafiditra amin’izany ny fifanolanan’ny Tandrefana sy ny Rosianina. Tahaka ity tany Niger ity izao, dia isan’ny nampiaka-peo nitondra fanamelohana ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron. Efa saika lasa tany amin’ny rombo goavana ihany koa I Sénégal, izay nisy mihitsy ny sakoroka nahafatesana olona 16 tamin’ny volana jona lasa teo noho ny fanoherana ny fikatsahan’I Macky Sall Filoha am-perin’asa ho kandida fanintelony sy ny fanamelohana 2 taona ilay tanora mpitarika ny mpanohitra Ousmane Sonko. Taorian’ny fanambaran’I Macky Sall fa tsy ho kandida amin’ny fifidianana manaraka hatao ny 24 febroary vao nilamindamina I Sénégal. Mety ho voasakana tsy hirotsaka ihany koa anefa I Ousmane Sonko noho ny sazy mihantona mahazo azy, izay nohelohina fa hoe: nanohintohina ny filaminana anatin’ny firenena ka asa izay ho fandehany rehefa handeha ny fifidianana? Ny manahirana, dia lasa karazana ady ara-jeopolitika no miseho satria noho ny tombotsoan’ireo firenen-dehibe sasany, dia ampidiana ny ao amin’ny firenena iray, indrindra fa ireo marefo. Betsaka, ohatra, ny firenena mety ananan’I Lafrantsa na ny Tandrefana tombotsoa, saingy misosoka moramora ny Rosianina sy ny Sinoa, antony mampihazakazaka ny Wagner sy ny Popov aty Afrika. Arakaraka ny tombotsoan’ireo firenen-dehibe anefa, ka rehefa tsy metimety aminy ilay mpitondra dia sokajiany ho hetsi-bahoaka na fandrodanana ny jadona, fa rehefa tsy mety aminy dia fanonganam-panjakana, ka mandeha avy eo ny fahirano sy ankivy na “embargo”,... “Mijery sy manaraka vaovao momba ireto Afrikana manao fanonganam-panjakana ary miazakazaka any amin’i Rosia sy Vladimir Poutine ireto aho, dia Gaga. Mbola mihevitra an’i Rosia ho mitovy amin’ny Firaisana Sovietika kaominisitra angamba ry zareo. Ny hany maha samihafa an’i Rosia entin’i Poutine ary chine amin ny Tandrefana sy ny Amerikanina, dia ny demokrasia ary ny fitantanana politika, fa ny politika ekonomika sy ny diplaomasia eknomika dia ny « capitalisme » sy « impérialisme» daholo no ataon’i Etazonia sy ny Frantsay, ary Alemaina », hoy ny mpampianatra-mpikaroka sady mpandalina politika Dr Ignace Randriamamizafy.
MILA MITANDRINA I MADAGASIKARA
Ho antsika eto Madagasikara, efa tamin’ny fifidianana 2018 no voalaza fa niditra an-tsehatra ny Rosianina, ary nisy kandida voalaza mihitsy fa novatsiany vola, ary tsy iray fa maromaro. Amin’izao mialohan’ny fifidianana izao, ambony ny risika hisian’ny sakoroka, ary pitik’afo kely dia mety hikorontana ambony ambany. Ny firenen-dehibe manana tombotsoa politika eto manana ny kanjiny, ny hafa misosoka tsimoramora! Ny kabary politika sasany toa efa misy fandrangarangana hery, fampiderana miaramila, filazana fa efa mpandresy,… Isan’ny iankinan’ny aim-pirenena ny ho fihetsiky ny Fanjakana ankehitriny eo anatrehan’ny mety ho tetikady hifikirana amin’ny fahefana. Ny maha vazaha taratasy ny Filoha Rajoelina anefa dia efa adihevitra, ary efa miantrana ny mpanao politika sasany ao anatin’ny fanoherana eo anatrehan’ny mety ho fahafahany mirotsaka. Mety hanaja tena tahaka ny nataon’I Macky Sall tany Sénégal ve I Andry Rajoelina sa hanao amboletra noho ny hambo-po politikany? Efa io tonga eto io ny iraky ny SADC ka asa izay mety ho pasoka daomy politika eto, fa ny azo antoka aloha dia ho tafiditra ao anaty korontana isika raha tsy mitandrina.
Toky R


 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap