airtel

Politique

30-avril-2025

Tsivery Mao Tse-Toung

«Aoka izay ny fanabadoana vahoaka!»

Sample post image

Tsy mahantra fa ampahantraina hatramin’izao ny malagasy, hoy ny mpikatroka eo

30-avril-2025

anivon’ny antoko politika FIVOI na Fanovàna ivoaran’ny eny ifotony, Tsivery Mao Tse-Toung. Mampametra-panontaniana mihitsy, hoy izy, hoe misy mpitondra marina ve eto? Raha misy, maninona no tsy mahavaha olana? Nalaza teto ny fitsidihan’ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron, ary efa nisy moa ny fandrosoana daty mikasika ny fifampidinihana indray momba ireo nosy manodidina saingy raha ny tokony ho izy dia mialohan’ny 26 jona izany no tokony atao, raha ny hevitro. Amin’ny kabarin’ny filoham-pirenena amin’ny 26 jona, fara-faha ratsiny, mba tokony hiresahany ny heviny mikasika ireo nosy ireo. Tokony hiresaka nosy manodidina i Andry Rajoelina amin’ny 26 jona! Hitana ilay teniny hoe mila famerenana manontolo fa tsy fiaraha-mitantana ve izy? Nanohina ny tena ny naheno fa hananan’ny frantsay trosa isika dia samy nanantena teo daholo hoe hamela trosa izany ny frantsay. Ny frantsay ve nefa mba miheritreritra hanonitra marina ny takaitra navelany tamintsika tao anaty fanjanahantany? Izay mpitondra teo aloha niantsoantso izany avokoa. Nandalo teto i François Mitterand. Nivoaka ry Randriamaholy sy ny tariny. Nandalo i Jacques Chirac, tsy hay izay nifanarahany tamin’ny filoha Ravalomanana fa notokanana moa Anosy be tamin’ireny fotoana ireny. Afaka niverina teto ihany ny filoha Ratsiraka. Nandalo iny i Macron. Taratra fa mikatona ny demokrasia eto Madagasikara. Akatoka moa ny 3 may ary entina ilazàna izany hoe mampalahelo ny tontolon’ny fanaovan-gazety eto Madagasikara saingy asa moa ilay izy dia tanterahina. Lasa sarotra be ny mijoro amin’izany hoe fotokevitra izany izao. Misy moa ny atao hoe zotran-dahantsoratra na «ligne éditoriale» saingy tena mampatahotra satria maningotra aina amin’izao fotoana izao ny milaza ny marina. Mpanao gazety ny tena. Ny 3 may tsy fety fa androm-pitolomana amiko. Misy an’io andro maneran-tany io foana isan-taona saingy hatraiza no dingana vitantsika? Mbola sahy hijoro ve ny tanora? Izahay manokana aloha tsy maintsy hijoro. Antsika ireo nosy manodidina fa tsy an’ny hafa. Tsy tokony hiadian-kevitra izany fa efa nohamarinin’ny ONU ny taona 1979. Aoka izay ny fanabadoana vahoaka! Hiditra amina volana manan-tantara teto amin’ny firenena isika izao dia ny nisy ny 13 may. Izany 13 may 1972 izany dia resaka fanabeazana sy fampianarana no foto-pitolomana tanatin’izany. 2025 isika androany, potika ny fanabeazana eto amin’ny firenena, hoy hatrany ity mpanao politika sady mpanao gazety ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

13-mai-2025

Raikitra indray ny fanamboarana serasera sy fanehoana fa tena akaikin’ny vahoakan’ny Fitondrana Rajoelina.

Card image cap
13-mai-2025

Haka fahefàna sy hitondra firenena no tanjon’ny antoko politika, hoy ny antoko politika Fanare.

Card image cap
13-mai-2025

Toy izao ny fomba nialan’i Kolonely Patrick Rakotomamonjy tao amin’ny Toby tamin’ny

Card image cap
13-mai-2025

Hanao filankevitry ny Minisitra mitety faritra indray ny Fanjakana Rajoelina amin’ity anio alarobia 13 mey 2025 ity,

Card image cap
09-mai-2025

Tsy any amin’ny hoe harena tokony ho trandrahana loatra ny Base Toliara

Card image cap
09-mai-2025

Ny « Directeur de la Police Judiciare » na DPJ eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena Colonel Tahiana Ravelomanana

Card image cap