Tsy misy fampandrosoana raha tsy mandray anjara na ampandraisina anjara amin’izany ny malagasy rehetra, hoy ny nambaran’izy ireo. Tsy maintsy atao ny fanarenana satria be dia be ny asa vita teto hatramin’ny repoblika voalohany ka hatramin’izao. Fantantsika anefa hoe aiza I Madagasikara ankehitriny, araka ireo tarehimarika hita. Fahaefatra amin’ny firenena farany mahantra I Madagasikara izao. Mampalahelo izany. Mbola tsy mifampatoky isika malagasy. Mbola misy ny fifanavakavahana. Mila sahanina voalohany noho izany ny fampihavanana ny vahoaka malagasy. Rehefa mihavana isika dia vonona hiray hina hiatrika izao zava-misy izao. Ny fokonolona malagasy no tsy maintsy hampandraisina anjara. Apetraka anatin’izany, ohatra, ny Kianja maitso izay efa iainan’ny vahoaka malagasy hatramin’izay ary mbola misy mametraka hatramin’izao. Mahafinaritra ny fiainan’ny malagasy anatin’izany rafitra Kianja maitso izany. Tsy maintsy miatrika ny fifidianana isika na tiantsika na tsy tiantsika. Tsy azo atao akamehana izany dia ho be dia be no tsy ho tafiditra anaty lisitry ny mpifidy na tsy lavorary ny lalam-pifidianana. 28 tapitrisa izao no isantsika malagasy. 14 tapitrisa eo izany tokony hifidy. Mika kara-panondro biometrika izany mba tsy hisian’ny hosoka. Mila atao ny fihaonamben’ny malagasy iray manontolo, noho izany, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,