airtel

Politique

28-mars-2023

Politique

Tsy fahita tao anatin’ny 60 taona Nisy namoaka ny antso an-telefaonin’ny Filoha

Sample post image

Mitohy hatrany ny fivoahana tsiambaratelom-panjakana samihafa, ary efa ny Filoham-pirenena mihitsy ankehitriny no lasibatra. Nisy nanaparitaka indray mantsy ny horonam-peo izay heverina fa tafiditra ao anatin’ny tsiambaratelo.

28-mars-2023

Horonam-peo miendrika toromarika natao mikasika ny toe-draharaha tany SAVA sy ny tetsy Vontovorona raha ny fahafantarana azy. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe: tena mbola voafehy sy manohana ny Filoha ankehitriny 100% ve ireo olona manodidina azy sa misy ny efa manipy hoditr’akondro sy efa manapasaka ny dosiem-panjakana? Tena saropady ary andrim-panjakana ny Filoham-pirenena, saingy izany ny zava-miseho. Tsy hisy tsiambaratelo hivoaka izany raha tsy ny ao anatiny ihany. Ny fivoahan’ireny anefa vao mainka mety hamotika tanteraka ilay filoha sy ny hasin’ny fitondrany. Raha ilay horonam-peo farany malaza izao, dia toa manome toromarika ireo lehiben’ny mpitandro filaminana ao anatin’ny governemanta mba handraisana fepetra teo anatrehan’ilay tranga naneren’ny olona mpisehatra amin’ny lavanila hanala ny akanjo misy “t-shirt” an’I Andry Rajoelina tany Sambava. Nosokajiana ho andian’olona vitsy, ary zavatra efa tena voahomana ny fahitany azy satria mbola vao niala lavitra dia efa nisy naka horonan-tsary. “Mba hampihorohoroana izay olona manohana antsika izany, ary indrindra mba atahoran’ny olona hanao t-shirt fa mba hifamonoan’ny Malagasy ihany koa. Adidintsika, adidinareo ny hoe: ahoana no hanatsaharana an’io? Ny soso-kevitro dia tsotra hoe: satria voakarama ny olona nanao an’io dia miantso fijoroana vavolombelona ny polisy any an-toerana ka izay rehetra olona nanao ireny fihetsika ireny na misy olona manana horonan-tsary izay olona namono an’iny olona iny dia tokony manao filazana (aveu) hoe: nokaramain-dRakoto na Rabe dia tokony hofaizintsika Mr le Minisitre! Izany no zavatra tokony hatao, ary tsy tokony havela handehandeha fotsiny amin’izao ireny izany zavatra ireny”, hoy ny horonam-peo. Tena izay ve ny tena zava-nisy anefa sa ezahina hotadiavina izay azo hamaharana ny rihitra? Tsy vao mainka ve hahatezitra ny olona any SAVA raha izany no tanteraka?

SAO MAMADIKA ?

Isan’ny voaresaka ihany koa ny raharaha Politeknika Vontovorona hoe: iza no nanome toromarika an’ireny fanaovana baomba lakrimozenina hatrany anatina (sekoly?) tany Vontovotona satria raha tena nisy marina ireny dia asa sao dia sanatria “taupe” ao amintsika tena mandrotika sy miteraka fahasorenana ho an’ny olona ihany?” hoy ny fanontaniana. Nanome toromarika fa mila mijery tsara ny olona izay mikaomandy eny an-toerana mba tsy hanao herisetra na hanao zavatra mety hasosotra ny vahoaka ihany koa.

Toky R

Entrer
Écrire à Toky Rafalimanana

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap