airtel

Politique

12-avril-2023

Politique

Tsy fidirana amin’ny antokon’ny fitondrana

Sample post image

Mihorohoro ny mpiasam-panjakana sasany

12-avril-2023

Mandeha ny fomba fiad heverina fa paikady avo lenta hoenti-manery ireo mpiasam-panjakana hiditra anaty Antokon’ny fitondrana, indrindra fa ny any amin’ny faritra. Mitaintaina tahaka ny sahobakaka ambodiriana ireo mpampianatra sy mpiasan’ny fahasalamana mety manana ny firehan-keviny manokana ara-politika fa tsy miara-dia amin’ny antokon’ny fitondrana, ka anisan’ny naharaisana sy nahenoana fitarainana ny amin’iny faritanin’Antsiranana iny. Misavoritaka sy misamboaravoara ireo mpampianatra sekoly amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Tratry ny fanapahan-kevitra sy tsindry hafindra toerana, misy terena hamerina ny “moto” nomena hiasan’ny mpampianatra mihitsy satria misy amin’ireo lehibeny no mitsotra an’izany amin’ireo olom-peheziny. Misy olom-boafidy manana andraikitra ambony amin’ny andrim-panjakana iray no voatonontonona ho ao ambadiky ny fanerena mivantana na ankolaka ireo mpiasam-panjakana hiditra ho mpikambana amin’ny antoko eo anivon’ny fitondrana. Manana ny fahalalany ara-poto-kevitra sy ara-politika anefa ny rehetra. Raha hiverenana anefa ny lalàmpanorenana any amin’ny andininy faha-39, izay milaza fa “ny Fanjakana no miantoka ny tsy fitanilana sy tsy fiandaniana ara-politika amin’ny fitondran-draharaham-panjakana, ny foloalindahy, ny Fitsarana, ny Mpitandro ny filaminana, ny fampianarana, ary ny fanabeazana…”.
MITOMBO NY AHIAHY
Mampitombo ny ahiahy amin’ny raharaham-pifidianana ny toe-javatra tahaka izao satria ahiana ny fanaovana fitaovana ireo olom-panjakana samihafa hoentina amin’ny tombotsoa politika, ny mety ho kajikajy toy ny hala-bato,… Maro no miahiahy fa misy tetika ambadika ny fanomezan’ny Fanjakana fiara tsy mataho-dàlana ho an’ireo Préfet sy Lehiben’ny distrika manerana ny Nosy, tahaka izany ihany koa ny fizarana moto ho an’ny ben’ny tanàna aty amin’ny volana vitsy tsy hahataperan’ny fotoam-piasany. Manana andraikitra mivantana na ankolaka amin’ny fifidianana ny Minisiteran’ny Atitany amin’ny alalan’ireo solotenam-panjakana dia ny Préfet sy ny Lehiben’ny distrika, ary eo ambany fiahian’ireo ny fokontany… “10% n'ny hala-bato ihany no ao amin'ny resaka lisitra, satria iny, na misy “doublon” sy” triplon” aza… Ny hala-bato, dia eo amin'ny famenoana ny fitanana an-tsoratra na PV, izay betsaka no tsy mahay manoratra any ambanivolo rehetra any, hiadiavana no azahoana ireo delegen’ny biraom-pifidianana mahay manoratra. Atao amin'ny “crayon” ny PV, fa ny sonia no atao stylo, dia tonga ny eo anivon'ny CRMV, ny CENI, izay tsy ampy olona any ambanivolo any, tsy misy fitaovam-pitaterana, satria “urne”, taratasim-bato rehetra, PV entina avokoa, tsy zaka moto, na entina dia an-tongotra, dia tsy maintsy ny fiaran'ny miaramila, zandary, ny distrika, ny faritra, ny Ben'ny tanàna no manangona ireny”, hoy Atoa Patrick Raharimanana, efa kandida Filoha, ny volana martsa teo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

02-oct-2023

Fitakiana io ary zon’ny rehetra ny midina an-dalambe, tena zo izany ary ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay tsy

Card image cap
02-oct-2023

Mizara roa ny fanaovana politika, ka misy ny mitaky ny hanajana ny fiandrianam-pirenena sy ny fanjakana tan-dalàna

Card image cap
02-oct-2023

Ho mafy ity tolona ity, hoy ny mpitarika ny Hetsika fotsy, Hary Razafindrazaka! Be loatra, hoy izy,

Card image cap
02-oct-2023

Namoaka fanambarana manamafy ny hisian’ny fitarihana vahoaka eny amin’ny Kianjan’ny 13 may anio

Card image cap
02-oct-2023

Anio ny fotoana voatondro hisian’ny fidinana an-dalambe eny amin’ny Kianjan’ny 13 may

Card image cap
02-oct-2023

Araka ny efa nampozina sy efa mahazatra, namoaka fanambarana ny OMC (Organe Mixte de Conception)

Card image cap