airtel

Politique

29-juin-2022

Politique

Tsy hampandroso na afaka 100 taona aza… 51 miliara Ar isan-taona ho an’ny kaominina 1695

Sample post image

Mbola mila ezaka goavana ny resaka fitsinjaram-pahefana sy fitsinjarana ara-bola mba hoenti-mampiodina sy mampandroso ny firenena,

29-juin-2022

ary mety tsy hampandroso na afaka 100 taona aza raha ny endrika mizana tsiandrian’ila. Hiviny kely, tahaka ny silakoho ny tonga any amin’ny kaominina mitaha amin’ny vola tsy toko tsy forohana kirakiraina ao anaty Fanjakana. Araka ny voafaritry ny tetibolam-panjakana nasiam-panintsiana na ny PLFR 2022, ary notaterin’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly 28 jona nandritra ny tatitra tamin’ny depiote, dia 30 tapitrisa Ar ny tohana na “subvention” ho an’ny kaominina raha toa ka 15 tapitrisa Ar teo aloha. Marina fa nampitomboina avo roa heny, saingy bitika io. 1695 ny kaominina manerana ny Nosy, izany hoe 50 850 000 000Ar na 51 miliara Ar latsaka isan-taona izany. Mbola kely noho ny tetibolan’ny antenimieram-pirenena izay 79 miliara Ar mahery. Mbola miampy 37 750 000 000Ar io raha kajiana amin’ilay 250 tapitrisa Ar isaky ny solombavambahoaka ao anatin’ilay CIAD (Crédit d’Investissement pour l’Appui au Dévéloppement) kanefa betsaka ny depiote mpananga-tànana fotsiny fa tsy hita izay tena ataony. Ny antenimierandoholona izay zara raha misy loholona 18 aza 19 miliara Ar ny tetibolany izay manome 1 miliara Ar mahery isaky ny loholona raha kajiana amin’ny isan’ny olona. Ny faritra misy tetibola 2 miliara Ar avy tantanin’ny governora 23 lazaina hanaovana fotodrafitrasa manome 43 miliara Ar, ary 420 tapitrisa fampiodinan-draharaha manome 9,6 miliara Ar, izay tsy olona voafidim-bahoaka no mitantana azy. Tsy ampy tetibolana minisitera iray ao anatin’ny herintaona akory ny vola mba hoenti-manampy ny kaominina manerana ny Nosy. Raha handray ohatra, isika, ny Fiadidian’ny Repoblika mahatratra hatrany amin’ny 218 785 316 000Ar ny tetibolany, izany hoe: tsy ampy ampahefatry ny azy ny tohana ho an’ny kaominina manerana ny Nosy. Ny kaominina anefa ny mamelona ny Fanjakana amin’ny alalan’ny hetra, haba, harena,… Mahatratra 2 231 108 271 000Ar na 2 231 miliara Ar mahery ny vola tantanan’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny vola, 1 566 087 882 000 Ar na 1 566 miliara mahery ny an’ny Minisiteran’ny fanabeazana izany hoe: 4,3 miliara Ar isan’andro ny fandaniany raha kajiana amin’ny 365 andro manome herintaona kanefa ny lentan’ny fanabeazana niha nitotongana. 854 439 527 000Ar na 854 miliara Ar ny tetibolan’ny Minisiteran’ny fahasalamana izay hoe: mandany 2,4 miliara Ar isan’andro kanefa iaraha-mahalala ny tontolon’ny fitsaboana eto Madagasikara io iaraha-mahita io hoe: makany amin’ny toeram-pivoahany aza andoavam-bola, izay tsy manam-bola dia naman’ny miandry fahafatesana, ny kolikoly no betsaka.
40 000 AR NY TAMBIN-KARAMAN’NY SEFOM-POKONTANY
Isan’ny nohamafisin’ny Praiminisitra omaly ihany koa, fa ilay hoe: nakarina avo roa heny ny tambin-karaman’ny sefom-pokontany, izay 20 000Ar lasa 40 000Ar manomboka amin’ny enim-bolana faharoa an’ity taona ity. Tahaka ny hoe: ezaka sy fanovana goavam-be, kanefa raha 20 000 Ar ny isan’ny fokontany manerana ny Nosy, izany hoe: 800 000 000 Ar monja io. Mbola gidragidra aza ny fahazoana io tambin-karama io indraindray. Latsaky ny 1,3 miliara lanian’ny Jirama isan’andro anefa tambiny isam-bolana ho an’ny sefom-pokontany manerana ny Nosy satria mahatratra 500 miliara isan-taona ny tohana ho an’io orinasam-panjakana io, kanefa ny fitantanana feno halatra sy kolikoly. Fampandrosoana inona no antenaina amin’izao mizana tsindrian’ila miharihary izao. Resabe sy fihatsarambelatsihy.

Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap