airtel

Politique

26-oct-2022

Politique

Tsy tazana intsony Sosotra amin’ny Fitondrana i Tinoka Roberto ?

Sample post image

Somary mahagaga ihany ny tsy fahitana ny Minisitry ny fanatanjahantena Atoa Tinoka Roberto tato ho ato, eny fa efa hatrany amin’ny volana aogositra na talohan’izay aza. Tamin’ny lalao famaranan’ny Afrobasket U18 sokajy lehilahy tetsy Mahamasina ny 14 aogositra teo no tena nahitana azy tamina lanonana ara-panatanjahantena.

26-oct-2022

 Nialohan’izy, efa nanaovan’ny haino aman-jery samihafa ombay mitady. Voalaza fa misy olana ara-bola ny Minisitera iadidiany, kanefa miha manatona ny hetsika ara-panatanjahantena lehibe toy ny lalaon’ny Nosy 2023, kanefa ny hoenti-manana amin’ny fanomanan-tena mbola baraingo. Tamin’io 14 aogositra io anefa, nisy ny fampanantenana goavana voalaza fa avy amin’ny Filoham-pirenena nampitainy amin’ny fananganana Kianja mitafo mhazaka olona 8000. Nisy ny fandraisana ireo atleta sy mpilalao samihafa nataon’ny Filoham-pirenena teny amin’ny Lapa fiasany tamin’ity volana aogositra ity in-droa nisesy, fa toa tsy tazana firy ny Minisitry ny fanatanjahantena izay Minisitra mpiahy mivantana. Minisitra hafa toy ny Minisitry ny serasasera sy ny kolontsaina, ny Minisitry ny toekarena sy ny vola,… indray no tazana teny Iavoloha ny 24 aogositra. Misy minisitra toa natao lasa mpiahy ny ekipam-pirenena amin’ny taranja sasany, fa ny Minisitry ny fanatanjahantena toa karazan’ny lasa an-tsisin-tosy izany. Ny faran’ny herinandro teo, tsy tazana tetsy Mahamasina niatrika ny lalon’ny Barea U23, raha toa ka teny kosa ny Filoha Rajoelina. Ny Filoham-pirenena nanao velirano sesilany mikasika ny fanatanjahantena, raha tsy hilaza afatsy ny fananganana ny Akademia lihibe momba ny fanatanjahantena, kanefa ilay Minisitera voalaza fa tsy misy vola. Mandeha ny fampanantenana hamatsy ireo atelta, nalefa niala sasatra ireo mpilalaon’ny Ankoay, fa ny taranja rugby vehivavy niatrika ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany tany Afrika Atsimo tsy ampy vola, ny ampahefatry ny filàna no azo,… Handray ny lalaon’ny Nosy I Madagasikara, saingy tsy misy tokontaniny ny fanomanana. Ny làlan-tsain’ny lalaon’ny Nosy dia amina tanàn-dehibe iray ka asa hoe: aiza marina no atao? Any amin’ny Tanamasoandro sa eto an-dRenivohitra? Firy isan-jaton’ireo makety naseho no vita? Manampy trotraka izany, tsy misy tokontaniny ny fanomanana sy fiomanan’ireo atleta ho an’ny ara-bola. Manomana lalaon’ny Nosy izany, mila roa taona eo, saingy herintaona latsaka sisa ananantsika. Misy siosion-dresaka mipoitra avy any ivelany, fa mety ho votsotra amin’I Madagasikara ny fampiantranoana ny lalaon’ny Nosy 2023 noho ny fanomanana tsy misy tokontaniny.
SOSOTRA SY METY HOSOLOINA
? Tao anatin’ny governemanta, herintaona mahery izay, natao sorona sy najabaka tamin’ilay raharaha valizy misy kodiarana I Tinoka Roberto, avy eo naverina tamin’ny fanatanjahantena, ary io toa misy toe-javatra hafahafa miseho io. Tamin’ireny no efa sosotra, ary voalaza fa tsy dia milamina intsony ny fifandraisana amin’izao. Nisy fotoana ihany koa toa niray tadin-dokanga tamin’Atoa Siteny Randrianasoloniaiko izay heverina fa noho ny maha samy avy any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy na koa ny tontolon’ny fanatanjahantena. Malaza ho kandida ho Filoha amin’ny 2023 anefa io depiote lany tamin’ny IRD saingy toa efa nisara-dia io ka mety tsy levon’ny vavonin’ny Fitondrana. Mandeha ny resaka ankehitriny, fa mety ho Rtoa Rosa Rakotozafy Tale Jeneralin’ny fanatanjahantena no hapetraka ho Minisitry ny fanatanjahantena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap