airtel

Politique

23-févr-2023

Politique

Tsy voalamina ny ady an-trano Mifampiampanga ny samy be galonan’ny 2009

Sample post image

Niparitaka omaly ny horonam-peon’ny Jeneraly Lylison maneho ny alahelony, fa ny olona tsy nitolona sy tsy namono tena no mora mahazo seza tahaka ny toerana minisitra ao anaty fitondrana.

23-févr-2023

Niparitaka avy hatrany ihany koa ny karazana fiampangana azy izay ny anaran’ny Jeneraly Ravalomanana Richard no voatonontonona ho nitondra setriny sy nanao ampamoaka, toy ny raharaha fitifirana tamin’ny 7 febroary, izay voalaza fa teny Ambohitsorohitra, ary nitifitra olona teny ny Kolonely Lylison. “Tsy mbola nisy miaramila nikomy tamin’ny 7 febroary ary i Lylison efa taty amin’ny faraparan’ny volana martsa 2009 vao nihaona tamin’i Andry Rajoelina, hoy kosa ny setriny. Ny 10 martsa 2009 vao nisy ny fikomiana tao Fort-Duchesne sy tao amin’ny CAPSAT. Ny Resaka “abandon de poste” azo hamarinina any amin’ny Groupement Bongolava fa diso tanteraka izany. Ny teny Fort-Duchesne dia Jeneraly Ravalomanana no nitarika ireo zandary teny fa tsy naharesy, hoy ny valin-kafatra. Niantso ny Kolonely Lylison izy hitondra ny ekipan’ny FIS. Ny “element” FIS no nitarika miaramila niditra teny Fort Duchesne notarihiny ary saika notifirina i Kolonely Lylison fa tsy voa , fa i Chef Ramaroson na i vazaha miaramila namany akaiky azy no voatifitra. Momba ilay hoe: ho henjana izy ity mantsy ny Filoha ankehitriny, “tsy hanao “menaces” na fandrahonana an-dRajoelina fa ny dikan’ny teny hoe ho henjana ity dia ho henjana ny fifidianana ho avy eo sy ny hiatrehana ny fifidianana ary mila olona enjana hiatrehana ny toraka mety hitranga, ka vonona hiatrika izany ary tsy hamadika an-dRajoelina raha mbola Lylison no Lylison, hoy ny hafatra niparitaka. Mikasika ny « parcours » sy ny « stage » tany ivelany hoe : tsy nanao «Ecole de gueure» tahaka ny Jeneraly Serge Gellé izay SEG voatazona amin’ny toerany fa tsy nosoloina azy i Lylison, raikitra ny fitanisana fa isan’ny « officiers » eo amin’ny zandarimaria nahavita: Diplôme Universitaire de Droit et Science Criminelle (D.U.D.S.C), Faculté de droit de Sceaux, Université Paris XI - FRANCE ( 2001) ; Diplôme de cours supérieur de la Gendarmerie, Melun France (2000 -2001); École d’Etat Major de la Gendarmerie, Centre de formation spéciale de la Gendarmerie française (2007) - Seul jeune officier Représentant de Madagascar, Séminaire d’Echange des jeunes officier supérieur des Pays Africains tany Beijing Chine (2006),… Aty amin’ny faran’ny fotoam-piasan-dRajoelina no misy tranga miendrika ady an-trano tahaka izao, tsy voalamina tao anatiny intsony, fa vaky am-batolampy,… Tsy efa naman’ny fiantombohan’ny faharavana ve izao ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap