airtel

Politique

03-avril-2023

Politique

Vaky bantsilan’ny depiote Brunelle “Fanjakana tsy mahay io, tsy mahalala ny tokony hataony”

Sample post image

Naman’ny vaky tanteraka ny ady eo amin’ny Depioten’Ikongo sady Filoha lefitry ny Antenimierampirenena Atoa Brunelle Razafitsiandrafo sy ny Fanjakana ankehitriny.

03-avril-2023

Natsikafon’ny Depioten’Ikongo ny tsy fahaiza-mitantan’ny Fanjakana, ary nilazany fa herim-po very maina ny ezaka rehetra nataon’izy ireo tamin'ny fanohanana ity fitondrana ity. “Nolazaina fa lahimatohan-dRajoelina ny depioten’Ikongo araka ny famaritana nataon’I Augustin Andriamananoro, kanefa izao no mahazo an’Ikongo. Lahimatoa ve dia ataonao izany, vahoaka nifidy anao amin’ny isam-bato ambony dia sazianao tahaka izao, fahirano izao atao amintsika izao. Notsiahiviny, fa tamin’ny 2020 nikabary izy, nampahafantatra ny vahoaka hoe: hanomboka ny fanamboarana ny RNT14A fa misy vola 5,360 miliara Ar ao anatin’ny kitapombolam-panjakana hanaovana an’io. Mandrak’ity ny androany, tsy nisy asa tsy nanomboka, tsy hay izay nalehan’ny vola, na fanamboarana ireo “point noir” aza tsy misy,... Nomena “gymnase” i Ikongo saingy mihantona ny asa, 6 miliara Ar no nanaovana azy. Nilaza ity depiote ity, fa raha governemanta mahay dia tsotra, ny zavatra mampikaika an’Ikongo dia ny làlana . “Tsy mahay ianareo, fa raha tena mahay ianareo dia fantatrareo ny atao hoe: “priorité” na laharam-pahamehana… Raha olona misaina ianao, raha olona mandinika dia fantatra hoe: inona no tokony hatao aloha sy tanterahina! Izahay fotsiny, fa tsy mahay ianao dia ny vahoaka no mijaly”, hoy I Brunelle Razafitsiandraofa tsy nihambahamba. Tamin’ny 20 febroary 2023, hoy izy, nisy vazaha antsoina hoe: Louis Felipé Lopez Calvin Tompon’andraikitra nanao tatitra fa “2012-2022, Madagascar tombé dans une décénie pérdue”, na 10 taona very ho an’I Madagasikara momba ny fampandrosoana. “Tsotra ny ahy, tsy mahay rangahy ilay mpitondra antsika a! « gouvernement icompétant » !”, hoy hatrany izy nanamarika fa asany amin’ny maha depiote mpanara-maso ny mpanatanteraka ny azy. Izaho eto dia miteny hoe: tsy mahay ny mpitondra antsika, hoy izy. Nambarany fa voizina ny hoe: tsy amboarina ny làlan’Ikongo amin’izay sahirana ny vahoaka dia tsy hifidy an’I Brunelle, fa izaho anie manazava aminareo fa tsy asako io, tsy mitantam-bolam-panjakana, tsy nikitika ny volan’ny CLD na depiote nanomboka febroary 2014, mitondra ny fitarainanareo no anjarako, mitaky ny anjara tokony ho anareo”, hoy io depiote io. Ny niara-dia tamin’izao fitondrana izao an-taonany maro aza moa efa sahy manabaribary fa tsy mahomby sy tsy mahay izao fitondrana izao mainka fa ny Malagasy mizaka ny ngidin’ny tsy fahaiza-mitantana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap