airtel

Politique

05-avril-2022

Politique

Vaky tanteraka ny ady Nokianin’i Brunelle i Rajoelina sy ny MAPAR

Sample post image

Naneho ny heriny sy ny tanjany tamin’ny alalan’ny famoriam-bahoaka ny depiote voafidy tany Ikongo sady Filoha Lefitry ny antenimieram-pirenena Brunelle Razafitsiandraofa.

05-avril-2022

 Namaly ny fanenjehan’ny Fitondrana azy. Tena henjana ny tenin’ity depiote ity nanao hoe : « Tsy anao irery I Madagasikara. Tsy azy irery I Madagasikara… », miantefa mivantana any amin’ny Filoha Rajoelina sy ny Mapar raha ny fandinihana azy. Naneho ny fahadisoam-panantenany amin’ny afitsoky ny Fanjakana ny depioten’Ikongo fa tsy arakaraka ny tolona nimatimatesana ny zava-miseho ankehitriny.Nampahatsiahy fa nitarika ny Tolon’ny depiote 73, izay nametrahana ny hoe: “Tolon’ny fanovana” i Brunelle Razafitsiandraofa. “Izaho mba nieritreritra hoe: fanovana mankany amin’ny tsara, izaho mba nieritreritra hoe famaliana ny zavatra notakiantsika sy ny hetahetantsika,… rehefa nofaritana hoe: ny tolontsika mankany amin’ny fanovana dia nijoro tsy nivadi-belirano aho, ka na iza na iza hanaratsy ahy, na iza na iza hizaka ahy, na iza na iza hanenjika ahy, na iza na iza hibedy ahy, mazava ny “position”-ko fa rehefa tsy hamaly ny hetahetan’ny maro an’isa, dia mijoro aho satria taorian’ny nizakako an’iny hoe: amboary aloha ny làlana amin’ny distrika eto Madagasikara izay vao amboarina ny teleferika dia voaantso aho. Nikabariana tany amin’ny Tranoben-dreo (Foiben’ny MAPAR) aho, ka namantrapatratra izay te hiteny,… Na inona na inona lazain’ireo, ny azy ny vahoakany no ambony, raha aravona ny voalazan’ity depiote ity. Karazana valy bontana ho an’ny Filoha Rajoelina sy ny MAPAR izay nanakiana azy mafy tamin’ny filazana fa raha alahatra ny laharam-pahamehana dia tsy maika ny teleferika io. Tsy nihambahamba moa ity depiote ity naneho, fa misy depiote mpisolelaka, fa raha ho azy dia ny vahoakany no zava-dehibe. Naman’ny vaky tanteraka ny ady eo amin’ny MAPAR sy ity depiote raha zohiana ny raharaha, samy nahazo ny anjarany, ary nomen’ity depiote ity lesona avokoa ireo minia mikipy eo anatrehan’ny tsy fanjariana amin’ny endriny maro. Naneho fa manam-pahaizana fa tsy araka ny tenin’i Depiote Paul Bert ho tsy mahay raha, ka nilazany fa raha misy olona 4 manana fahaizana sy fahatakarana toa azy tsy ho toy izao ny firenena. Karazana vely kanota amin’ny tsy fahombiazana io, toa milaza fa afaka mahavita tsara kokoa noho ireo mpitondra ankehitriny, afaka ny handeha lavitra ara-politika ny tenany. Ho kandida Filoha ve?

TRATRY NY VELY KANOTA NY PRAIMINISITRA
Notsiahivin’I Brunelle Razafitsiandraofa Tanjona napetraka tamin’izany ny hoe: hiady amin’ny kolikoly, hiady amin’ny kolikoly, fa mandrak’ity ny androany izaho mbola tsy naheno ilay Praiminisitra izay Lehiben’ny Fitantanan-draharaham-panjakana nanao “Rappel à l’ordre” (famerenana amin’ny ara-dalàna) hoe: ampy izay ny kolikoly, tena efa tafahoatra (c’est trop, c’est trop, c’est trop!), hoy io olom-boafidy io.
RAHA MISY OLONA MIISA 4
Izao no ambarako anareo, hoy i Jean Brunelle Razafitsiandraofa : “tsy diso ianareo nifidy ahy. Raha misy olona miisa 4 mitovy fahaizana sy fahatakarana amiko fotsiny mitondra ity Madagasikara ity, tsy ohatran’izao I Madagasikara. Misy biraon’ny fizahantany eto Ikongo nefa 5 na 6 volana aho no tao anaty governemanta. Tsy hiteny ny ankoatr’izay aho fa isika no mitsara. » .


Manaporofo hatrany ny tranga tahaka izao fa efa tsy misy mandeha amin’izay laoniny ny ataon’ny fitondrrana TGV MAPAR, izay tsy mahay mametraka mazava ny tena laharampahamehana hanaleffahana ny fahasahiranan’ny vahoaka sy hametrahana rafitra hahafahana manavotra ny toekarena fa variana amina rendrarendra na zavatra hahazoan’olombitsy tombotsoa ihany.

Toky R sy J.Mirija


 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap