airtel

Politique

23-déc-2024

Vao mainka miha tsy mazava ny antom-pisian’ny CENI

Ny volam-panjakàna nefa laniana aminy

Sample post image

Nanamafy moa ny faran’ny herinandro teo ny antoko politika Natiora ny faran’ny herinandro teo

23-déc-2024

tamin’ny alalan’ny filohany, Mihari-Ni-Rencho, fa izay firenena misy na nisy CENI rehetra dia mikorontana na koa hoe nikorontana avokoa. Ny CENI na hoe vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana raha adika amin’ny teny malagasy dia voalaza fa rafitra natao hikirakira, hisahana ny raharaham-pifidianana ary natao hamoaka ny voka-pifidianana ihany koa. Ankehitriny anefa dia misy ilay rafitra antsoina hoe SPATREC, izay raha ny fanazavan’ny filohan’ny CENI, Dama Arsène Andrianarisedo, dia tena mitovy tanteraka amin’io andraikitry ny CENI matetika io mihitsy koa izany ny asan’io rafitra vaovao natsangana tsy ela io. Etsy ankilany, raha neverina ho rafitra natao fanaterana ireo fitarainana isan-karazany mikasika ny tsy fahatomombanana rehetra taratra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana hatramin’izay izany CENI izany dia ireny niaraha-nahita ny zoma teo ireny ny valin-tenin’ny filohan’ilay rafitra fa tsy misy idiran’izany CENI izany ny famaliana ny ankamaroan’ireo fitarainana noraisin’izy ireo tao anatin’ny dingana mahakasika ny fifidianana na «processus électorale» tao anatin’izay vanim-potoanan’ny fifidianana, nanomboka tamin’ny fampielezankevitra nialohan’ny fotoana, nandalo tamin’ny propagandy sy fifidianana, hatramin’izao vanim-potoana famaliana fifidianana izao. Vao mainka miha tsy mazava ny antom-pisian’ny CENI ankehitriny, araka izany, saingy ny volam-panjakàna nefa laniana aminy hatrany. Tsiahivina nefa fa talohan’ny taona 2009 dia ny minisiteran’ny atitany ihany dia efa nahafahana nanatanteraka ny dingana mahakasika ny fifidianana rehetra. Moa ve ireny fotoana ireny nandaniana volam-panjakàna lavitra mihoatran’ny ankehitriny? Toa vita ihany ireo fifidianana nokarakaraina rehetra ary toa latsaka alavitra ambany noho izao aza ny karazana fitarainana sy fitoriana voaray mikasika ireo voalaza ho tsy fahatomombanana toy ireo voatanisa ankehitriny? J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap