Nanamarina ny fisian’io ny depioten’Ikongo sady Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritanin’i Fianarantsoa Atoa Brunelle Razafitsiandraofa fa tena amidy eny an-tsena tahaka ny entana tokoa ireo ankizy latsaky ny 5 taona any amin’io distrika anatin’ny faritra Vatovavy ary Fitovinany io, araka ny fanehoan-keviny tamin’ny fahitalavitra tsy miankina Kolo TV omaly. Fahantrana lalina iainan’ny mponina no antony hamarotana ireo ankizy raha ny fanazavany. Tsy misy tombam-bidy, fa rehefa mahazo vola ny Ray aman-dReny, ka afaka mampisakafo ilay ankizy ny mpividy, dia vita ny fifampivarotana. “Sanatrivin’ny vava tahaka ny mivarotra akoho, entina eny an-tsena ilay zaza dia anontaniana an’izay olona mifanena eny an-tsena hoe: sao hividy zaza, sao hividy olona. Tsy ao anatin’ny distrikan’Ikongo ihany fa saika ao anatin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany mihitsy satria vao omaly nahazo tatitra avy tany amin’ny Kaominina Ambanivohitr’I Kianjavato ao anatin’ny distrikan’I Mananjary fa misy mivarotra zaza”, hoy io depiote io. “… Tsy manana fanantenana na ny hahitana mangirana hiatrehana ny ho avy ka matahotra sao ho fatin’ny mosary sy hanohanana ilay zaza ka aleony velona eny an-tanan’olona toy izay hitazona azy ao anatin’ny ankohonana”, hoy hatrany ny Depiote Brunelle Razafitsiandraofa. Efa zava-doza, ary tena tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona ny tranga tahaka izao, na ekena aza fa efa nisy foana ny fahasahiranana. Tsy vao sambany no nisy toe-javatra mampalahelo mahazo an’Ikongo manokana, saingy toa tsy mba misy mpijery na misy fitondram-panjakana mijery firy. Nandeha tifitra variraraka nahafatesana vahoaka manodidina ny 30 saingy nanjavona ny tohin’ny fanadihadiana. Efa nisy ihany koa ny resaka fanampiana tamin’ny resaka voina izay vary tapa-gony sy menaka niteraka resabe satria madco sy sotro no nizarana azy. Efa nisy ny fisiana olona maty sy torana noho ny filaharana fanampiana,… Noho ny mety ho tsy fitiavana manokana ny depioten’Ikongo niainga tany amin’ny raharaha fizarana an’I Vatovavy Fitovinany sy ny nanehoany fa tsy ny teleferika no laharam-pahamehana kokoa ve no antony toa maha faralahy sy toa hanaovana an’ity Distrika ity ho toy ny tany tsy misy Andriamanitra hany ka na ny làlana hahatongavana any aza tena zava-doza?
Marihina fa isan’ireo antony voarakitra nentina nanao fitsipaham-pitokisana ny governemanta tamin’ny 7 desambra ny hoe fihitaran’ny tsy fahampian-tsakafo (kere) amin’ny faritra maro vokatry ny tsy fahombiazana ara-pitantanana (Atsimo Andrefana, Vatovavy, Fitovinany, Androy, Anosy, Atsimo Atsinanana)”. Voaresaka ihany koa ny fitomboan’ny tahan’ny mahantra ho 81% araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena ny 7 oktobra 2022.
Toky R
Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana
Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay
Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,
Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,
Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,
Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.