airtel

Politique

28-juin-2024

Vavolombelon’ny tantaran’i Madagasikara

Nodimandry ny Pr Françoise Raison-Jourde

Sample post image

Ny alin’ny 25 jona 2024 teo no nodimandry ny mpahaitantara frantsay, ny Pr Françoise Raison-Jourde,

28-juin-2024

nanana ny grady Professeure émérite d'histoire tao amin’ny oniversiten’i Paris VII. Efa nampianatra nandritry ny 8 taona teto Madagasikara izy ny taona 1965 hatramin’ny 1973 ary nanohy ny fampianarana sy fikarohany tao amin’ny oniversite voalaza teo aloha, Paris, Frantsa. Nivezivezy matetika teto Madagasikara ihany koa anefa izy na teo aza izany ary azo lazaina ho vavolombelon’ny tantaran’i Madagasikara mihitsy. Maro rahateo ireo mpampianatra mpikaroka, mpahaitantara, voalaza fa mbola nifanerasera taminy herinandro lasa izay ary tena mbola mahavita manampy azy ireo na dia efa voky taona, maherin’ny 90 taona aza ity mpahaitantara nahita vanim-potoana maro nolalovan’ny firenena ity. Maro ihany koa, mazava ho azy, ireo boky ara-tantara sy siantifika nosoratan’izany Pr Françoise Raison-Jourde izany mikasika an’i Madagasikara. Isan’ireo tena nalaza ny nitondra ny lohateny hoe «Paysans, intellectuels et populisme à Madagascar: de Monja Jaona à Ratsimandra», izay nifotorany ny zava-nisy ara-tantara ny taona 1960 hatramin’ny 1975, ary isan’ny nanaitra tao anatin’izany moa ny filazany fa tsy teo Ambohijatovo no maty ny kolonely Richard Ratsimandrava ny 11 febroary 1975 fa efa tao amin’ny biraon’ny jeneraly Gilles Andriamahazo. Isany nosoratany ihany koa ny boky mitondra ny lohateny hoe «Bible et pouvoir à Madagascar au XIXe siècle: invention d'une identité chrétienne et construction de l'Etat, 1780-1880 », izay mifantoka amin’ny fifandraisan’ny baiboly sy ny fahefana teto Madagasikara teo anelanelan’ny taona 1780 hatramin’ny 1880 ary ilay boky mitondra ny lohateny hoe «La nation malgache au défi de l'ethnicité», izay mifototra amin’ny tantaran’ireo foko eto Madagasikara.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap