airtel

Politique

23-févr-2023

Politique

Veliranon’Iarivo Lasa rano mively an’Iarivo

Sample post image

Atero any amiko ny fako raha misy tsy voaroaka! Antananarivo tsy maintsy mandroso, mandroso, mandroso! Ho amboarintsika ny lalana.

23-févr-2023

Hanome asa ny mponin’Antananarivo fa tsy hanala ny asa efa misy. Santionany tamin’ireo lokaloka nataon’ny ben’ny tanànan’Antananarivo ankehitriny, Naina Andriantsitohaina, fony izy mbola nanao propagandy izany. Izany, hoy izy, tamin’ireny fotoana ireny no velirano ataoko amin’Iarivo na veliranon’Iarivo. 4 taona izay no lasa. Miha rano mively an’Iarivo hatrany ilay veliranon’Iarivo tamin’ny fotoan’androny ary ara-bakiteny io isaky ny fahavaratra. Tamin’ny andron’i ben’ny tanàna iza eto amin’ity renivohitr’i Madagasikara ity tokoa moa no efa nisy izany hoe hatreny Anosy sy Mahamasina izany no tondraky ny rano raha tsy tao anatin’izao fitantanana izao? Na ny manoloana ny lapan’ny tanàna aza izao misy arabe loaka, hoy ny fanehoan-kevitr’ireo olompirenena. Maro ireo mponin’Iarivo nanandra-bavaka nisaotra ny mpahary azy tany anaty fandaharana samihafa hatreny amin’ireo tambazotran-tserasera, raha ny hita omaly fotsiny, noho ny tsy nandalovan’ingahy Freddy, izay rivodoza voasokajy ho mahery vaika noho ny mahery vaika tamin’ny taona 1994 dia i Geralda, teto amin’ny “Tanànantsika” fa raha tsy izany angamba… asa fotsiny, hoy ny fomba fiteny izay!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap