airtel

Politique

02-juil-2021

Politique

Velon-taraina ireo depiote Misy minisitra tena miavonavona

Sample post image

Notanterahana omaly alakamisy 01 jolay teny amin’ny CCI Ivato ny fifanatrehana teo amin’ny governemanta sy ny antenimierampirenena; ireo depiote moa no nangataka ny hanaovana izany

02-juil-2021

 

 mifanatri-tava mihitsy fa sy amin’ny alalan’ny Visioconférence. Lafiny sosialy, fanamboaran-dalana, fanatsarana ny fanabeazana sy ny tontolon’ny toekarena, fampivoarana ny distrika, fametrahana fandriampahalemana no hevidehibe nivoitra nandritra ny fandraisam-pitenenana, noferana 3 minitra isaky ny depiote izany ka raha misy ny tsy voalaza dia mihaona amin’ny minisitra voakasika ireto olom-boafidy ireto dia any anaty birao izany mifanazava sy mifandresy lahatra.Ka eo amin’izay llafiny izay indrindra dia maro ireo depite velon-taraina fa hoe miavonavona sy tsy mandray ny antso an-telefaonina atao aminy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta sasany.Manahirana sy tsy mahafaly anay depiote izany hoy izy ireo satria izahay anie tsy hoe te hiresadresaka fotsiny na handala olona fa kosa milaza ny zavamisy any amin’ny distrika misy anay, mitatitra ny hetahetan’ny vahoaka amin’ny maha solombavambahoaka anay ary manome soso-kevitra ihany koa.Aoka tsy hiavonavona ianareo mpikambana ao amin’ny governemanta fa manjary manahirana ilay fiarahamiasa, hoy ny depiote.Tsara ho marihana kosa anefa, hoy ireo depiote naneho hevitra fa misy ny minisitra tena miasa, fa misy ihany koa ny minisitra sadasada ka dia anjaran’ny filoham-pirenena sy ny Praiminisitra no mijery izay tokony atao.Io tsy fihainoana ny solombavambahoaka io no mahatonga ny fitakiana ny fanesorana ny minisitra sasany , hoy hatrany ny resaka teny amin’ny CCI Ivato omaly.Hifarana anio zoma moa ny fivoriana ara-potoana voalohany ho an’ny Parlemanta tamin’ity taona ity.
ENCADRE
Depiote Todisoa Andriamampandry (TIM): “mampiteny ny moan any fahatahanjiro sy ranon’ny jirama…. Misy fitavozavozana sy tsy fandraisana andraikitra ara-potoana amin’ny governemanta kanefa ny olona efa marary sy tsy ampy sakafo ary sahirana.”
Depiote Keron Idealson (IRD MAPAR) : “mitaky izahay, manaitraizahay, mampatsiahy izahay mikasika ny fanatanterahana ny velirano nataon’ny Filoham-pirenena”
Nangonin’i RTT

 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Mbola afaka milatsaka ambanin'izao ve i Madagasikara, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena fahiny, ny jeneraly Désiré Ramakavelo?

Card image cap
30-avril-2024

Lasa ohatrany tsy miraharaha intsony na «indifférent» amin’izao fotoana izao ny malagasy,

Card image cap
30-avril-2024

Malalaka be ny atao hoe raharaham-pirenena, hoy ny raiamandreny sady mpandalina ny

Card image cap
30-avril-2024

Niroso tamin’ny fanoratana taratasy miantefa amin'Andriamatoa Mohktar Benlamine, Solontenan'ny FMI monina eto Madagasikara sy Andriamatoa Fréderic Lambert,

Card image cap
30-avril-2024

Nandroso kabary tsara lahatra indray ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tany amin’ny Fivoriamben’ny IDA

Card image cap
30-avril-2024

Tafapetraka ny mpikambana tsy maharitra ao amin'ny CENI ho an'ny kandidà laharana faha 6

Card image cap