airtel

Politique

28-juin-2021

Politique

Vita ny fety Miandry asa sy vahaolana matotra amin’izay

Sample post image

Vita ny fanamarihana ny fetin’ny fahaleovantena. Hanao ahoana indray ny ho tohin’ny raharaham-pirenena aorian’izay?

28-juin-2021

Maro ireo zavatra miandry, mila vahaolana. Moa mba manana vahaolana mahomby sy azo raisina ary voalanjalanja ve ny Fanjakana. Iaraha-mahita ny olana any Atsimo izay toa adihevitra diso hoenti-manakona ny tena zava-misy marina no voizina. Nandeha ny resaka ambony latabatra sy ny fandokafan-tena satria nolazaina fa tsy hita izay tena vitan’ny teo aloha fa ity Fanjakana ity no tena tia ny any Atsimo. Betsaka ny eritreritra sy vinavina fa moa mba efa tsara petrakapetraka ny hoenti-manana sy fomba fiasa sa manidintsidina ohatry ny natao mahazatra? Ny any Atsimo izay, fa moa mba mifanaraka amin’ny zava-misy. Moa mba mifanaraka sy zakan’ny tetibolam-panjakana ve ireo zavatra atao be famaritra? Voizina mantsy ny hoe: vola sy tetibolantsika madiodio satria hatramin’izay nahazo tohana iraisam-pirenena saingy tsy nahavaha olana. Manjaka ny tsy fananan’asa eto Madagasikara. Aiza ireo hoe ozinina hatsangana amin’ny alalan’ny fivoizana ny indostria isam-paritra ka ny filàna eto Madagasikara dia hovokarina eto an-toerana? Fomba firesaka teto hatramin’izay ny hoe: hanorina ozinina lehibe indrindra aty Afrika fa mba aiza ho aiza moa izany ny tena vokatra nentin’ny Pharmalagasy? Novoizina fa aleo mamboly Artemisia toy izay vary. Tsy ho vitan’ny Fanjakana samirery izany resaka fampiroboroboana ny indostria izany, fa miankina betsaka amin’ny fanamorana ny tontolon’ny fandraharahana na “doing business”, izany hoe mila atokisana amin’ny lafiny rehetra I Madagasikara, saingy raha ny filaharantsika farany momba io tamin’ny taona 2020 teo, dia faha-161 amin’ny firenena 190 maneran-tany isika. Tsy vitan’ny Fanjakana irery izany fampiroboroboroana ny toekarena izany, fa tena manana anjara toerana betsaka ny tsy miankina, saingy ny eto an-toerana maro ny rendrika, ary ny vahiny tsy dia liana. Azo lazaina ho efa tsy dia misy coronavirus manjaka sy tena sakana tsy afahan’ny Fanjakana miasa, ka tsy tokony io no hialana bala lava eto. Mba manao ahoana amin’izay ary izany ny famahana ny olana ara-tsosialy sy toekarena? Ny vidim-piainana iaraha-mahita ny fidangany, ary tonga amin’ilay hiran’i Sareraka hoe: tsy takatry ny kely vola izao ny atody satria efa 700Ar eo ho eo, ny menaka efa 8000 hatramin’ny 10 000Ar,

ENCADRE
Mbola raharaha hafa mila alamin’ny Fanjakana ny lafiny politika. Eo ny resaka fanoherana, fa mbola zavatra hafa ihany koa ny fifandaminana eo amin’ny samy mpitondra satria re ihany fa misy ady an-trano ao . Izay tsy mahavita azy na manondratsondrana mila soloina. Tena mino ve ny Filoham-pirenena fa tena afaka hanatratra ny tanjona amin’ny velirano ambara hovitaina ao anatin’ny roa taona sy tapany ireo ekipa ankehitriny. Mankaiza marina ny làlan-kizorana satria na ny PEM Drafitra hoenti-manatanteraka ny programam-panjakana izay nambara fa hampafantarina aoriana kelin’ny 19 janoary saingy mandrak’ity ny androany tsy hita izay tohiny ?
Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap