Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika na ny PRMM ny governemanta Herintsalama Rajaonarivelo ny 9 martsa, voatendry ho Praiminisitra vaovao Atoa Rajaonarison Mamitiana Jeannot Ruffin. Izy no ho Praiminisitra faharoa ao ao anatin’izao Fitondrana fanavaozana izao taorian’ny 4 volana mahery kely satria raha tsiahivina dia ny 20 oktobra 2025 no voatendry ny Praiminisitra teo aloha, ary ny 28 oktobra kosa no nitsangana ny governemanta. Praiminisitra faha-25 hatramin’ny Repoblika voalohany Atoa Mamitiana Rajaonarison. Adminisitera sivily, nandalina ny siansa politika tany amin’ny ENA (Ecole Nationale d’Administration) tany France, efa manamboninahitra teo aloha, efa Talen’ny Bianco Toliara, Tale Jeneralin’ny SAMIFIN tao anatin’ny Fanjakana teo aloha ka voatendry voalohany ny taona 2017, ary fanindroany ny taona 2025. Efa lehiben’ny delegasionin’ny komity famotsiam-bola SADC, GAFI Afrika Atsimo-Atsinanana,… ny Praiminisitra vaovao. Nambara tao anatin’ny fanendrena azy fa tsy maintsy mandroso, mila mandray fanapahan-kevitra haingana dia haingana, mba tsy hampitarazoka ny raharaham-pirenena. Nanipika avy hatrany ny PRRM Kolonely Randrinirina Michael, fa maro ny adidy sy andraikitra manomboka amin’ny fandrafetana faran’izay haingana indrindra ny governemanta. Ankinina aminy ny politikam-panjakana fanavaozana, mitaky vokatra haingana ny Filoha syny vahoaka, fa isan’ny nisongadina ny « fampivondronana ireo ankolafin-kery eto amin’ny Firenena », araka ny filazan’ny Filoha. Tsara ny manamarika fa andiany indray mihira faha-23 tamin’ny PRRM ny Praiminisitra vaovao. « Misy antony nifidianako anao, tadidinao izany tamin’ny fiainanao nandritra ny tetezamita. Mbola manamboninahitra miaramila, nahazo tsindry tamina manamboninahitra ambony iray tao amin’ny tetezamita ka naleonao niala. Fanapahan-kevitra goavana nitondra azy tamin’ny lalan-kafa ka nahatonga anao ho tonga amin’izao Praiminisitra izao satria raha mbola manamboninahitra mety tsy ho izao. », hoy ny Kolonely Randrianirina Michael nampahatsiahy tantara, maneho ny maha mpifankahalala akaiky azy ireo. « Mila fanapahan-kevitra goavana ity Firenena Malagasy ity. Anatin’ny kihon-dalana isika ! Raha olona hanara-drenirano fotsiny hanaraka ny politika efa mahazatra teo aloha no mipetraka amin’io toeranao io dia tsy hisy zavatra hiova », hoy hatrany ny PRRM nilaza fa niaina lalandava tamin’ny ady amin’ny kolikoly ny Praiminisitra vaovao, na fony mbola lieutenant, ka nanamafisany fa mila olona mahitsy tsy azo havivilivily, tsy voavidim-bola,… « Izay no isan’ny nametrahako anao ka hirariaka hitarika ny governemanta amin’ny lalana vaovao, hampisy fanantenana ny Malagasy, hanova ny làlan-dririnina. », hoy hatrany ny Filoham-panjakana. Voalaza moa fa ity Praiminisitra ity ilay mpiasan'ny Bianco niantso an-telefaonina an'i Claudine Razaimamonjy tamin'ny andron'ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Na dia teo aza ny fandrahonana sy ny ompa variraraka, dia nitazona fahatoniana izy ary izy tenany mihitsy no nanao ny fisamborana an'i Claudine Razaimamonjy tao Mahamasina. Notsipihiny manokana ny hoe Tale jeneraly, nahasahy nidina an-kianja, rehefa misy zavatra tsy mety ataoko dia mitenena ianao fa aza manara-drenirano fotsiny. ?
MARO NY ZAVATRA MIANDRY….
Izy izany no heverina fa olona afaka hitondra vahaolana «l’Homme de situation » eo anatrehan’ny zava-misy ankehitriny izay tsy mora : tondro momba ny kolikoly nitotongana, toe-draharaha iraisam-pirenena entin’ny ady any Iran mety hanova ny lamina ara-toekarena eran-tany, fanarenana ny faharavana nentin’ny rivo-doza, fanatanterahana ny fikaonadoham-pirenena izay midika zavatra be ny nilazan’ny PRRM ny fampivondronana ireo ankolafin-kery. Asa lehibe miandry ihany koa ny politika sy ny vahaolana ara-toekarena sy sosialy, ny fandaminana sy fametrahana fahamarinan-toerana ara-diplamatika sy jeopolitika ho an’i Madagasikara izay hita ho somary misafototo,… Ny fanolorana ny Programa ankampoben’ny Fanjakana na PGE izay faritan’ny lalàmpanorenana fa anatin’ny iray volana anefa no hitarafana ny zavatra tena hataony. Ny isan’ny andrasan’ny maro ihany koa dia ny hoe : hanao ahoana no ho firafitry ny governemanta vaovao? Firy isan-jato amin’ireo tao anatin’ny governemanta Herintsalama no ho tafaverina ?
Toky R