airtel

Politique

13-juil-2021

Politique

Voka-dratsin’ny fifidianana feno hosoka Tsy marin-toerana sy misavoritaka ny Fanjakana

Sample post image

Taratry ny fifidianana 2018 nampalaza ny “doublon” sy ny kajikajy samihafa ny zava-misy mahazo ny Fanjakana Rajoelina ankehitriny.

13-juil-2021

Izao no vokany vao roa taona sy tapany nitondrana firenena. Tahaka ny sotrokely, nanao be fiavy fa avy eo mora ritra. Vetivety dia tojo olana satria efa mazava fa tsy nahazo ny maro an’isa, ary tsy mipetraka ny fahamarinan-toerana. Manodidina ny 520 000 ny elanelam-bato teo amin’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana tamin’ny fifidianana fihodinana faharoa, saingy milafika amina adihevitra tsy hifankahitana, raha tsy hilaza afa-tsy ny “doublon” niteraka ny fametraham-pialan’ny Filoha lefitry ny CENI teo aloha Atoa Thierry Rakotonarivo ny volana febroary 2020 ny raharaha. Vao mainka nanaratsy endrika sy nanaratsy toerana ny Fitondrana Rajoelina iny. Nihamafy ny fitsingilailana ara-politika, ary nampian’ny resabe samihafa tamin’ny fiatrehana ny valanaretina coronavirus izany. Ankehitriny, izao zavatra iainantsika amin’ny politika sy ny sosialy izao no azo itarafana fa fitondrana malemy fototra no misy amin’izao fotoana izao. Ataon’ny olona matin’ny tsikera amin’ny tambajotran-tserasera, hany ka toa miainga amin’ny zava-misy any amin’ny Facebook ny fitondrana firenena. Manampy trotraka izany, ohatry ny hoe tsy to teny izany ilay Fanjakana, tsy sahy manapa-kevitra hoe iza sa inona no alefa mialoha? Inona no tokony hatao? Avy eo izy samy volomboasary aza mifamely, ary tsy vao izao no vaky ny ady tamin’ny olom-boafidy sy olom-boatendry, fa efa tany aloha, nandeha tamina olona vitsivitsy, saingy efa lasa ankampobeny lasa fifandirana amina vondrona lehibe roa dia ny mpanao lalàna sy ny mpanatanteraka. Tsy takona hafenina ny adin’ny governemanta sy ny depiote, izay MAPAR mihitsy no miditra an-tsehatra manao fanangonana olom-boafidy hanongana minisitra na hitsipaka ny governemanta amin’ny alalan’ny “motion de censure”.
“TANY MISY OLOBE TSY MIADY ZAZA”
Raha miverina kely amin’ny tantara isika, ny TIM raha niady na nisy niala tao anaty sambo dia efa tao anatin’ny fotoana navaivay faramparan’ny raharaha 2009 efa nangotraka sy ny ady seza efa taty amin’ny 2010 rehefa lasa tany Afrika Atsimo i Marc Ravalomanana. Tsy dia mitombona loatra tamin’izany ny hoe eo ilay Filoha mbola am-perinasa dia ny depioteny minaonaona be mameno radio sy fahitalavitra. “Tany misy olobe tsy miady zaza”, hoy ny fomba fitenintsika Malagasy, saingy miharihary ankehitriny, fa tsy voafehy sy midingin-drambo ny samy olon’ny fitondrana satria mety tsy voafehin’ny olobe intsony, ary efa tsy marin-toerana ny fahefany matoa ny ao anatiny aza mifamango.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap