Nianga teny Ambodimita ny diabe io misandratr’andro io, niakatra an’Anosisoa, nidina an’Ambohimandray, nandalo an’Antanety, Betafo, Ambodivonkely ary Andraharo. « Akaiky ny fandresena ! », hoy i Roland Ratsiraka raha nandray fitenena fohy teo Anosisoa izy.Tsy misy miala eo raha tsy miverina amin’ny tany tan-dalàna eto.Renay ny hetahetanareo, tsy mijanona ity raha tsy tafavoaka i Madagasikara, hoy i Hajo Andrianainarivelo.Namarika kosa ny kandida Tahina Razafinjoelina hoe avia, tongava ary aza matahotra baomba lakrimozenina , fa tsy misy an’izany intsony eo, aza misalasala intsony hoy izy avia fa isika izao no hanova ny tantara.
MIRAY HINA
Mbola nanamafy an’izany ny solontenan’ny kandida Siteny Randrianasoloniako nanao hoe tsisy miala eo fa miaraka amin’ny besinimaro.Ataontsika izay hahareraka azy, aza matahotra ianareo fa vakintsika io. Avoahay ireo olona mbola tokony hanaraka antsika, mitabe tsy lanin’ny mamba, tsy maintsy miray hina isika,raha misy mitsaoka eo na mivilana dia ho hitan’ny havany eo hoy i Marc Ravalomanana nandritra ny anjara fitenenany.Nanamafy ny tolona atrehana kosa i Jean Jacques Ratsietison sy Roland Ratsiraka raha nilaza fa manohana ny tolona ny sendika manerana an’i Madagasikara .Itsy farany dia nanamafy fa 11 ny kandida, tsy misy vazaha, ary kely sisa dia ho resy ry zareo ka tsy maintsy averna amin’ny vahoaka ny fahefana.Aoka izay ny delestazy sy rano tapaka lava, hoy izy sy ny filazana fa mandroso i Madagasikara, nametra-panontaniana i Roland Ratsirakahoe sao dia voan’ny tamberin-tany aza zareo mpitondra fanjakana ireo.Nisaotra manokana ireo tanora ho avin’ny firenena izay nanofahofa tanana raha nifanena tamin’ny Vondron’ny kandida kosa i Hery Rajaonarimampianina.Noho ianareo no antony hijoranay tahaka izao, hoy izy. Tetsy ankilan’izay ireo vahoaka maro be dia namerimberinany hoe tsy voavidy vola, tsy voavidy vola…manaraka ny kandida 11 izahay, hoy izy ireo satria hitanay fa rariny sy hitsiny ny tolona atao, ary tena mila fanovana tokoa ny fitantanana ny firenena fa tsy atao aminaresaka kobaka am-bava sy fampanantenana poakaty fotsiny.
FOTO-KEVITRA MAZAVA TSARA
Mazava ny resaka ary tsy miova ny foto-kevitra ijoroan’ny tolona tsy ekena ny didy jadona, sy tsy fanajanany lalampanorenana, mila fifidianana madio, eken’ny rehetra .Mbola tsy madio ny tokontanin’izany ka izay no anton’ny tolona atao amin’izao fotoana. Mila mitondra an’i Madagasikara ao anaty fampandrosoana milamina mba handrenesena ny fahantrana isika hoy ny Vondron’ny kandida ary dia mbola mitohy ny tolona, andrasana hanatevin-daharana ireo mpiasam-panjakana.
Ny alahady alina teo moa dia efa nanambara ny hetahetany sy ny mararay azy ny vondron’ny sendika manerana ny nosy izay manodidina ny 83 isa eo ho eo. Nilaza fa mijaly ny mpiasa malagasy ary tena misy fitantanana mitanila eto. Tonga izao n fotoana tsy maintsy hitenenana hoy izy ireo.
RTT
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby