airtel

Politique

11-avril-2024

Vondrona Firaisankina ao Sambava

Nolavina ny firotsahan-kofidian’ny kandida

Sample post image

Nolavin'ny OVEC ny firotsahan-kofidiana ho an'ny kandida depiote avy amin'ny vondrona politika Firaisankina,

11-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray ny 9 aprily teo. Nanao fanambarana ny avy amin'ny OVEC na «Organe de Vérification et d'Enregistrement des Candidatures», izay sampana miandraikitra ny fandraisana ireo dosie firotsahana ho kandida, ao Sambava fa tsy ampy ny antotan-taratasy ho an'ny kandida avy amin'ny Firaisankina, Loïc Chan, ka nolavina avy hatrany izany fa tsy ho isan’ny ho kandida izy. Hatreto, ny kandida avy amin'ny Isika Rehetra miaraka amin'ny Andry Rajoelina na IRMAR ihany no manan-kery raha ao amin'ny distrikan’i Sambava. Manana 48 ora ny kandida hampiakarany ny fitarainana eo amin'ny CENI foibe. Raha ohatra ka mbola lavin'ny CENI hatrany dia mbola manana 48 ora hafa ihany koa ny kandida hampiakarany izany eo anivon'ny HCC na Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, raha ny fanazavana hatrany. Ankoatran’ity tranga tao Sambava ity moa dia ny lafiny fikarakarana taratasy no saika nahenoana fitarainana maro raha ny mikasika ity filatsahan-kofidiana depiote ity. Eo koa ny endrika antsojay isan-karazany sahady tahaka ny fisamborana kandida iray tao Nosy be Hell ville ny faran’ny herinandro teo izay efa navoaka moa. Firy isan-jaton’ny filatsahan-kofidiana avy amin’ireo hery politika ivelan’ny fitondrana, indrindra, mpanohitra izany no ho ekena amin’ity fifidianana hoavy ity, raha toa ka misy kandida avy amin’ny vondrona politika manaraka ny lokon’ny fitondrana sahy milaza sahady fa hahazo ny 90% ao amin’ny antenimieram-pirenena? Ny raikipohy na «formule» nitranga tamin’ireny hetsiky ny kandida miisa 11 izay toy ny nosarihina nandany andro nidina an-dalambe ireny ve izany no hisarihina na hanamandrihana fanindroany indray ny mpanohitra ka hanome kianja malalaka handihizan’ny kandidam-panjakana fotsiny? Andrasana ny fivoaran’ny toe-draharaha.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap