fikambanana, vondrona politika sy mpanao politika mikambana eo anivon’ny hetsika politika Panorama na Paikady anorenana ny rahampitson’i Madagasikara. Nanasa mpanao politika maro hafa koa moa izy ireo, raha ny fanazavan’ny mpiara-mandrindra ny hetsika, Randrianirina Jean Ignace na Ramasy. Sady fidirana politika amin’ity taona ity izao, hoy izy. “Teny ierana no mampilamina.” moa no teny filamatra. Vondrona miisa 5 no mitsangana eto amin’ny firenena ankehitriny dia ny HIFFIM, RMDM, Panorama, VPHM, HPM, izay samy manana antoko politika mikambana ao anatiny daholo. Mitovy ny fomba fijerin’ireo amin’izao dia ny fitakiana fikaonan-doham-pirenena. Hisy fanerena mihitsy mety ho atao amin’izany. Tsy misy fifidianana tokony atao eto raha tsy milamina ny tokontany. Manomboka mafana ny toe-draharaha ankehitriny. Mety hisy fihaonana ato ho ato miankina amin’ny toe-draharaham-pirenena ary ny FFKM dia handinika ny momba ny hitantanana ny fikaonandoha ny 30 sy 31 martsa. Manasa tanana izahay raha tsy vita ny fikaonandoham-pirenena, hoy hatrany ny tenany. Mitondra vahaolana ny Panorama, hoy kosa tetsy ankilany ny mpitondra tenin’izy ireo, ny depiote Rolland Ratsiraka. Miankina amin’ny mpitondra ny handray na tsia fa minisitra aloha iny lasa iny, hoy izy. Amin’ny manaraka izy mihitsy no lasa. Tsy Disk Jokey no tokony hanitsy mpiasan’ny fahasalamana hoe izao no ataonareo. Tokony amboarina izany. Lasan’ny ejipsianina fotsiny izao ny 300 miliara hoe hanaovana lala-migodana na “autoroute” nefa tsy ho vita izay “autoroute” 10 km anaty 6 volana izany. Rocade aza 4 taona vao vita nefa 8km. Tsy mihetsika ny asa ao Talatanivolonondry. Tsara isika raha miray feo hoe tsy misy mahazo mifidy an’I Andry Rajoelina intsony eto Madagasikara, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby