airtel

Politique

24-mai-2023

Politique

Vondron’ny firaisamonim-pirenena Avoahy ny pitsopitsony ara-bola sy ny datim-pifidianana

Sample post image

Nanao bemidina teny amin’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI sy teny amin’ny

24-mai-2023

Antenimierampirenena ireo Fivondronan’ny Firaisamonim-pirenena nahatratra 35 isa omaly 23 may 2023 nanatitra haitaky na “plaidoyer” mikasika ny fifididianana. Tetsy amin’ny CENI, navoitran’izy ireo ny tokony hisian’ny mangarahara amin’ny tetibola hikarakarana fifidianana. Tafiditra ao anatin’io ny fitakiana ny hamoahan’ny CENI ampahibemaso ny andinindininy sy antsipiriany amin’reo fandaniana miandry azy. Angatahana ihany koa hatao mazava ny tetibola faran’ny ambany azo ekena hanomanana sy hiatrehana fifidianana matotra. Amin’izy ireo, vaindohan-draharaha ny fifidianana, ka tsy ekena ny Fanjakana milaza tsy manam-bola hoenti-mikarakara izany. Mitaky ny famoahana ny daty raikitra hanatanterahana ny fifidianana eo anivon’ny governemanta sy ny datin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny mpanolo-tsaina izay tokony ho tanterahana amin’ity taona ity ihany koa izy ireo. Nanipika fa mila manamafy ny fitakian’ny besinimaro amin’ny famoahana ny datin’ireo fifidianana rehetra ny CENI. Tsy manaiky ny hisian’ny tetezamita, ary tokony hisy filoham-pirenena voafidy amin’ny janoary 2024 satria fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana ny mifanohitra amin’izany. Momba ny lalàm-pifidianana kosa, nanipika ireo firaisamonim-pirenena fa amin’ny maha-rafitra voalohany mampiasa io lalàna io dia manana adidy ny CENI handroso soson-kevitra fanatsarana mba hisian’ny fifidianana marina sy madio. Teny anivon’ny Antenimieram-pirenena kosa, nametraka soson-kevitra ho fanatsarana ny lalàna mifehy ny fifidianana izy ireo, hetsika izay notarihin’ny fivondronan’ny firaisamonim-pirenena ROHY. Nisy ny fifampiresahana niarahana tamin’ny filohan’ny Antenimerampirenena sy ny solombavambahoaka ary noraisin’izy ireo tamin’ny izany sy ny solombavambahoaka mpampakatenin’ny vaomiera mahakasika ny lalàna ny soson-kevitra fanatsarana ny lalàm-pifdianana. Nangataka mba hantsoina handrafitra ny asam-baomiera, mandritra ny fandinihana ny lalàna mifehy ny fifidianana ireo firaisamonim-pirenena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

14-mars-2025

Miankina amin’ny mason-tsivana moa no antony ilazàna hoe nitotongana na tsia ny demokrasia

Card image cap
13-mars-2025

Tafaresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana, momba ny raharaham-pirenena sy ireo

Card image cap
13-mars-2025

Tsy misy andro iray mandalo eto ka tsy andrenesana hoe nisy fivoriana, atrikasa, famelabelaran-kevitra, fiofanana.

Card image cap
13-mars-2025

Manome vahana ny mpanao didy jadona ny fahanginan’ny vahoaka»

Card image cap
13-mars-2025

Potika ny fanaovana politika eto Madagasikara, raha ny fihetsika politika na

Card image cap
13-mars-2025

Nahafahana nitsapa tsara ny alalin’ny rano eo amin’ireo mpitodra fanjakana eto madagasikara sy ny mpomba azy

Card image cap