airtel

Politique

02-oct-2023

Vondron’ny kandida

Efa niala nenina izahay, eny amin’ny 13 may mifankahita anio

Sample post image

Namoaka fanambarana manamafy ny hisian’ny fitarihana vahoaka eny amin’ny Kianjan’ny 13 may anio

02-oct-2023

manomboka amin’ny 10 ora maraina ny Vondron’ny kandida miisa 11 ampian’ny olom-boafidy sy loholona maro miara-dia amin’izy ireo. Nanambara fa efa nanaraka ireo dingana sy antso avo samihafa, ary niala nenina, saingy antso an’efitra sy nanaovana bemarenina, ka eny amin’ny 13 may no dingana manaraka hijoroana ho an’ny fiandrianam-pirenena sy hitakiana ny fahadiovan’ny fifidianana. “Maro ny antso efa nataonay izay namaky bantsilana ireo fandikan- dalàna, ny fanitsakitsahana ny lalampanorenana, ary ny fanosihosena ny fiandrianam-pirenena amin'izao fanomamana sy fikarakarana ny fifidianana ho filoham-pirenena izao. Teo ihany koa ny antso maro, fa misy fitanilàna eo amin'ny fampiharana ny lalàna eo aminay kandidà ireto sy ny kandidà filoha nametra-pialàna ary misy hosoka isan-karazany eo amin'ny lisim-pifidianana. Nanao antso ihany koa izahay momban'ny didy izay navoakan'ny Fitsarana Avo momban'ny Lalampanorenana fa tokony tsy ho afaka milatsaka ho fidiana ho filoha ireo izay mizaka ny zom-pirenena vahiny ary tsy manana ny zom-pirenena Malagasy intsony”, hoy izy ireo. Maro ny fialàna nenina natao sy ireo antso mitaky ny fifampiresahana eo amin'ny samy Malagasy mba hitadiavana vahaolana am-pilaminana momba ny fanomanana ny fifidianana sy hitadiavana vahaolana maharitra, saingy ninia nanampi-tsofina tamin'ireny antso maro ireny ny mpitondra ary nanohy hatrany ny fitongilanana na dia hita tsotra izao aza izany fa mandika ny lalampanorenena sy ireo lalànamanankery eto amin'ny tany sy ny fanjakana, hoy hatrany ny fanambarana. Noho ireo rehetra ireo, “Tonga ny fotoana hanehoantsika firaisankina, fahasahiana ary fijoroana amin'ny marina mba ahafahana mamerina indray ny tany tan-dalàna sy ny fanajàna ny demokrasia, ko ireto izahay Vondron’ny kandida sy ny solombavambahoaka miaraka aminay vonona sy sahy mijoro hiaro ny tombontsoan'ny Malagasy tsy ankanavaka, indrindra ireo vahoaka tratran'ny tsindry hazo lena, tsy an'asa, ny mpiasam-panjakana, ny tantsaha, ireo mpiasa sy mpandraharaha tsy miankina sy ny mpianatra”, hoy hatrany izy ireo

MIANTSO IREO HERIVELONA SY NY VAHOAKA TSY AN-KANAVAKA
Nanamafy ny antso ho an’ny vahoaka tsy an-kanavaka hiray hina sy ho sahy, ka hiaraka haneho sy hitaky ny fanajàna ny fahamarinana, ny fampanjakana ny tany tan- dalàna eo amin'ny fampiharana mitovy sy tsy mitanila ny lalàna velona, tsy hanaiky ny fanitsakitsahana ny lalampanorenana noho izany izy ireo. Nandefa hafatra goavana miantefa amin’ireo herivelona samihafa manodina ny firenena sy ny vahoaka tsy an-kanavaka hiara-dàlana amin’ny fitakiana. “Miantso anareo Miaramila, anareo Sendika, anareo fikambanana isan- karazany, anareo mpanao politika, fa indrindra indrindra anareo olom- pirenena Malagasy tsy an-kanavaka vonona sy sahy hitsinjo an'i Madagasikara. Noho izany dia miantso antsika rehetra hiaraka isika ho eny amin'ny kianja ny 13 mai manomboka amin'ny alatsinainy izao amin'ny 10 ora maraina ka ho ataontsika am-pahendrena izany fitakiana izany mba ho ren-tany ren-danitra fa ny vahoaka Malagasy dia mahay mitaky ampilaminana ary efa leo ny fanjakan'ny tsy maty manota ka tsy hanaiky lembenana intsony”, hoy hatrany ny fanambarana.

HAJAO NY LALANA, ATSAHARO NY FAMPIHOROHOROANA SY FANASOKETANA,…
Nampahatsiahy izy ireo, fa mamela ny fivoriana sy ny filaharana an-dalambe am-pilaminana ny Art. 21 ny Pacte International na fifanekena iraisam-pirenena mahakasika ny zon'olon-tsotra sy ny zo politika nosoniavina ny 23 matsa 1976. Nohamafisiny sy namporisihin'ny “communauté internationale" izany ny 19 septambra teo tamin'ny nilazany fa "mankatoa sy manaiky ny fahafahana tsy azo ivalozana manao fivoriana sy mandeha ampilaminana eny an- dalambe" ry zareo. Ary nohamafisin'ny Nations Unies izany tamin'ny fandalovany teto. Manao antso avo ihany koa izahay fa fitakiana am-pilaminana io ary tsy ekenay ny fampihorohoroana, ny fampiasan-kery sy herisetra amin'ny Malagasy, ny famotehana fananan'olona, sy fampielezana tsaho sy vaovao tsy marina. SAHIA MIJORO SY MIRAY HINA fa ny tombontsoam-pirenena, ny hoavinao sy ny taranakao no hiarahantsika arovana izao.”, hoy hatrany ireo Vondron’ny Kandida. Eny amin’ny Kianjan’ny 13 izany ny fotoana anio ho an’ireo kandida sy ny olom-boafidy miampy ny vahoaka mpanara-dia.
Toky R


 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap