airtel

Politique

19-oct-2023

VONDRON’NY KANDIDA

« Izao ataontsika izao no tena fanavotam-pirenena »

Sample post image

Tsy mbola nahita vahoaka toa izany ny teny Atsimondrano, Tanjombato, Ankadimbahoaka tonga hatreny Soanierana, Andrefan’Ambohijanahary ary Mahamasina. Niainga teo amin’ny Magasin M – Tanjombato,

19-oct-2023

ny diabe omaly maraina, tazana nihaodihaody teny amin’ny sisin-dalana teny ny olon’ny miakanjo volomboasary notarihin’ny depiote Andry Ratsivahiny fa tsy nahovoka firy satria maro be ny mpomba ny collectif des candidats ary efa nanomboka ts nanaiky ho lembenana fa vonona. Tanjombato, Ankadimbahoaka, Soanierana dia nahitana ireto andian’olona ireto. Tena nafana ny teny Soanierana nanakaiky ny Jirama, fa toe moa ny mpitandro filaminana nijoro ho elanelam-panahy mba hisorohana ny fifandonan’ny andaniny sy ny ankilany.
TSY MILA FIFIDIANANA MALOTO
Maro no resy lahatra amin’ny foto-kevitra ijoroan’ny Vondron’ny kandida na dia eo ihany aza ireo olona voakarama hanakorontana eny antsefatsefany eny. Nanaovana antso manokana hatrany izy ireny ho tonga hanatevin-daharana ny tolona. …Zava-dehibe ny firaisankina ary tsy maintsy mifanome tanana mba hahafahana mandresy ny fahantrana sy ireo zavatra tsy mety iainana eto amin’ny firenena.Nanamarika ny tolon’ny Vondron’ny ny kandida androany ny fahatongavan’ireo mpiasa avy ao amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Izahay matahotra fifidianana maloto, ry zareo matahotra fifidianana madio hoy ny kandida Brunelle Razafitsiandraofa. Ataovy madio ny fifidianana fa vonona izahay hoy ireo kandida. Vahoaka tsy voavidy vola isika fa kosa vahoaka tonga saina mijoro ho an’ny hoavin’ny taranaka, hoy ny hiaka teny Mahamasina.
TSY EKENA NY FAMPIASANA JIOLAHIMBOTO
Fa nahitsy toraka ny kandida Roland Ratsiraka tamin’ny anjara fitenenany omaly teny Mahamasina : « ry vahoaka tsy voavidy vola aaa…tanatin’ny 5 taona izay dia natao nisongadina foana ny fividiananaolona sy fampiasana vola, tsy nieritreritra ny vahoaka Malagasy fa nangoron-karena, natao fitaovana ny vahoaka Malagasy. Tsy ekena intsony izany .Nanjaka ny fampiasana jiolahimboto, tsy ekena izany, izaho 25 taona olomboafidy tsy nampiasa jiolahimboto, fa lany foana .Mijoroa hatrany fa kely sisa dia hahazo fandresena isika »
FANAVOTAM-PIRENENA
Izao no tena fanavotam-pirenena, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina satria miara-mihetsika, miara-mientana ny kandida, mpanao politika, sendika, artista sy ny vahoaka .Nisaotra manokana ireo mpitandro filaminana , nanao ny asany izy, ka hoy indrindra ny nambarany : « androany isika dia nahita fa niaraka tamintsika ny mpitandro filaminana teny an-dalana, nandamina ry zareo ary rehefa mandeha am-pilaminana isika dia manaraka ho azy ny mpitandro filaminana ka isaorantsika ry zareo . » .NIsaotra reo artista maro be, tsy voavidy vola mifanome tanana amin’ny vondron’ny kandida ihany koa i Tahina Razafinjoelina.Nandravaka ny fihaonambe androany ny fandraisan’anjaran’ny artista toa an’i Bodo, Princio, Elidio, Mamy be, Ckoji …
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap