airtel

Politique

13-nov-2023

Vondron’ny kandida

« Miantso ny mpitandro filaminana tsy handray baiko tsy ara-dalàna »

Sample post image

Nanameloka ny fandratrana ny vahoaka nanao hetsika am-pilaminana omaly teny Mahamasina ny Firaisankinan’ny kandida, araka ny fanambarany.

13-nov-2023

Fandratrana tsy am-piheverana no niseho, lazaina foana fa tsy ara-dalàna ny fanehoan-kevitra izay ataonay, ka tianay no manindry sy miresaka amin’ny Prefen’Antananarivo, ka tsy haiko ianao na mamaky lalàmpanorenana na tsia fa mazava ny voalaza ao, fa malalaka ny fanehoan-kevitra am-pilaminana, ka miantso anao hamaky lalàmpanorenana izany», hoy ny izy ireo tamin’ny alalan’ny Kandida Hajo Andrianainarivelo. « Atsaharo ny fampiasan-kery, maro ny naratra, nibaribary fa nampiasana hery mivantana ny olona izay tsy nanao afatsy fanehoan-kevitra madio. Nanatrika teo izahay, ary mampalahelo ny tahaka ireny. Manao antso avo aminareo mpitandro filaminana fa ampy izay ny fandraisana baiko tsy ara-dalàna indrindra avy amin’ny lehibenareo tsy ara-dalàna », hoy hatrany ireo kandida. Nilaza ny Firaisankinan’ny kandida fa ny mpikamban’ny HCC aza efa misy mijoro fa tsy ara-dalàna ny nanendrena ireo lehibe dia ny Jeneraly Richard Ravalomanana sy ny Praiminisitra Ntsay Christian ho eo amin’ny fitantanana ny firenena. Niangavy ny mpitandro filaminana noho izany izy ireo mba hiverina amin’ny tany tan-dalàna ary hanatsahatra ny fandratrana ny mpiray tanindrazana amin’ny fifidianana bontolo izay tsy hitondra filaminana. Voahitsakitsaka ny zo maha solombavambahoaka, hoy izy ireo, ka nanameloka ny fisamborana ny depiote Fetra Ralambozafimbololona. Aoka hatsahatra mason’andro anio ny fampiasan-kery amin’ny vahoaka, ary mirary fahasalamana ho an’ireo naratra, hoy izy ireo. Nanamafy fa tsy maintsy tohizana ny tolona satria tolona ho an’ny tanindrazana sy firenena, samy mahatsapa manerana an’i Madagasikara fa tafiditra anaty krizy sy tsy fanarahan-dalàna.

Nankahery ireo Raiamandreny tarihin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena amin’ny ezaka fikaroham-bahaolana ihany koa ny Firaisankinan’ny kandida izay nanamafy fa mitohy ny tolona. Anio hariva no fantatra fa hanao fampitam-baovao lehibe ireo Raiamandreny, nikarakara ny fihaonana. Ny nohamafisin'ny Filohan'ny antenimierampirenena omaly dia ny tsy fanekena ny herisetra atao amin'ny vahoaka .
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap