laharana faha-3 tamin’ny Vondron’ny kandida teny andavamamba, araka ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’izy ireo tey Antaninarenina omaly tolakandro. Nahitana fahasimbana avokoa ny fiaran’ireo kandida , nisy tamin’ireo mpiara-dia no naratra noho ny daroka sy toraka nahazo azy . Nametraka fitoriana any amin’ny zandarimariam-pirenena ny vondron’ny kandida mba hanokafana fanadihadiana ary mino izahay fa hanokatra fanadihadiana haingana tahaka ny fanaony ry zareo rehefa misy mamoaka vaovao maha vohitonhitohina azy ireo ireny, hoy ireto Vondron’ny kandida ireto. Nibaribary androany, fa efa tany tsy tan-dalana intsony i Madagasikara ka izay no ijoroanay sy hanehoanay ny hevitray, hoy i Hajo Andrianainarivelo. Tsy manaiky ireny fihetsika manimba sy mamono olona ireny izahay, ary manao antso avo ho an’ny mpitandro filaminana ny vondron’ny kandida hoe: adidinareo ny miaro ny vahoaka sy ny fananany na inona na inona loko politikany na fiaviany. Tsy nahatsapa izany izahay tamin’ity herinandro ity, hoy ny vondron’ny kandida fa toa avela ny olona sasany hisotasota amin’ireo mpiray tanindrazana aminy. Nanamafy ny Firaisankinan’ny kandida fa ny Vondrona Eoropeanina dia efa naneho fa mahafantatra ny zava-misy eto, tsy araka ny niheverana azy fa tena misy krizy. Samy mahatsapa ny olona fa ilaina ny fifampiresahana. Tsy manana olana na amin’iza izahay 11, tsy mila korontana, ary misoroka an’izany amin’ny maha mpitarika antoko. Adidinay amin’izao toerana misy anay izao no mitady vahaolana ho an’ny firenena, ary sambany no nisy kandida 11 niara-nijoro tsy hisian’ny olana, ary raha nihaino ny Filohan’ny Antenimierampirenena ianareo, dia mitovy amin’izany. Fangatahana ara-drariny mba hananan’ny firenena fahamarinan-toerana ny fitakianay fifidianana madio sy eken’ny rehetra ao anatin’ny fanarahan-dalàna, hoy hatrany ny Firaisankinan’ny kandida tamin’ny alalan’Atoa Hajo Andrianainarivelo. Tena manameloka ny iraisam-pirenena eo anatrehan’ny fampiasan-kery tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy, ary tahaka izany koa ny filazana fa tokony harahina ny lalàmpanorenana, ka efa fantatra ny tsy manaraka izany, hoy ny kandida Paraina Auguste izay naneho fa efa fanamelohana amin’ny fomba diplaomatika ireny.
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby