hitakiana ny famerenana ny Fanjakana tan-dalàna, fiandrianam-pirenena, fitakiana fanadiovana fifidianana, fanovana ireo rafitra mitanila,… Tsy Itaosy ihany, tsy Antananarivo ihany, fa Madagasikara manontolo no manao hetsika, hoy ny kandida Marc Ravalomanana. « Amin’ny alakamisy dia ampahafantarintsika an’izao tontolo izao fa miray hina ny vahoaka Malagasy », hoy ity kandida izay efa Filoham-pirenena teo aloha ity. Nandritra izany ihany koa no nampâhafantarana ny fisian’ny fihaonan’ny Firaisankinan’ny Kandida tamin’ny SADC omaly takariva, nampahafantarana ny zava-misy marina eto. Nanamafy fa hetsika am-pilaminana hatrany no natao ka izay no tsy levon’ny vavonin’ny andaniny satria ny an’ireo loham-boto foana, hoy i Hajo Andrianainarivelo. Nampisaintsaina ny rehetra tsy hanaiky ho voavidy vola, hatao lafika hiakaran’ny sasany amin’ny fahefana satria efa Repoblika izao, fa tsy faha-panjakana intsony. Ny ezaka atao ho an’ny 16 novambra, dia tsy misy fifidianana, tsy mila fifidianana. Nahitsy kosa ny kandida Paraina Auguste, fa manao amboletra amin’ny fifidianana i Andry Rajoelina satria nahazo fiantsoana any Londres amin’ny 30 novambra momba ny raharaha kolikoly goavana mahasaringotra ny Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika teo aloha. Manantena fa rehefa Filohan’ny Repoblika dia tsy ho voakitika, ka kotrehina ny hivoahan’ny valim-pifidianana mialohan’io.
TSY MAINTSY MIJORO
Nambaran’i Roland Ratsiraka kosa fa mandainga amin’ny tenany i Andry Rajoelina nampiseho fa nahazo olona teny Antsonjombe, kanefa nambarany fa nizara vola teny amin’ny Arena, nampiasa ireo bus hitatitra olona,… « Tsy maintsy mijoro isika na inon-kidona na inon-kitranga, ary tsy maintsy mandresy ny tolona », hoy ity kandida ity. Nahitsy ihany koa moa ny tenany nivantana ho an-dRajoelina hoe : aza milaza tena ho krisitianina fa ianao nizara vola amina miliara ho ana fiangonana hividianana azy. Nanamafy ity farany fa amin’ny alakamisy dia tsy tokony hisy fifidianana, ary any amin’ny Firaisankinan’ny kandida ny herin’ny vahoaka manerana an’i Madagasikara.
TSY MANDEHA MIFIDY
Nankasitraka ny fijoroan’ny vahoaka kosa ny kandida Tahina Razafinjoelina, ary nanamafy fa misy ny zavatra hahafahana hanehoana ny tsy fahafaliana amin’izao fifidianana tsy manjary izao, ka nanamafisany ny hiraisana feo amin’ny tsy fandehanana mifidy hanehoana fa ny 70% amin’ny Malagasy no tsy mankasitraka. Niantso ny tanora tsy hanaiky ho voavidim-bola fa tena hijoro ho an’ny firenena satria antsika ny firenena, hoy izy. Nilaza kosa ny kandida Jean Jacques Ratsietison fa tsy matahotra samborina izy ireo. Nitaky ny famoahana ny depiote Fetra sy ireo rehetra nosamborina. Nanamafy fa tsy misy mandeha mifidy, ary nanentana ny vahoaka Malagasy rehetra, fa avela hihanjahanja eo i Andry Rajoelina. Niantso ny vahoaka hanao andrimasom-pokonolona ihany koa ity kandida ity. Ho an’ny kandida Hery Rajaonarimampianina kosa, dia nisolo tena ny kandida rehetra ny tenany nilaza fa tsy voavidy vola izy ireo. Tsy mihemotra amin’ny famendrofendroana sy fampitahorana satria manana ny vahoaka. Nitondra hafatra ho an’ny rehetra fa mila hamafisina ny tolona ho an’ity herinandro ity sy amin’izao andro vitsivitsy izao.
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby