airtel

Politique

21-juil-2022

Politique

Vondron’olona miaro ny fitondrana “Ny ato anatiny no mila manao fikaonandoha aloha”

Sample post image

Anjaran’ny filoham-pirenena ankehitriny no mandray fepetra manoloana ny zava-misy amin’ny alalan’ireto minisitera be dia be nampandraiketina andraikitra ireto,

21-juil-2022

hoy ny VMF na Vondron’olona miaro ny fitondrana ankehitriny eto Madagasikara. Tsy hahenoana teny, hoy ny filohan’izy ireo, Falson Jocelyn Rantenaina, izao ny minisitry ny fitaterana. Anjaran’ny filoham-pirenena no manome baiko hentitra ireo mpikamban’ny governemanta voakasiky ny zava-misy. Matoa ianao nisafidy ny hipetraka eo dia tokony hanana vahaolana amin’ny olana miseho. Tsy fotoana hidirana amina fikaonandoha na tetezamita izao. Tsy ilaina intsony izany. Miantso ny filohan’ny repoblika izahay handray fepetra amin’izay minisitra tsy mahatanteraka ny andraikitra nomena azy. Mipaka any amin’ny filohan’ny repoblika ny tsy fahaizan’ny minisitra sasany, ny tsy fahavitan’ny minisitra sasany ny asa nampandraiketina azy. Miantso ny fihaonan’ny firaisankinan’ny governemanta na miaraka amin’ireo depiote na loholona sy andrim-panjakana hafa. Ny ato anatiny no mila manao fikaonandoha aloha vao miitatra any ivelany raha ilaina, hoy hatrany ny VMF.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny VMF
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap