airtel

Politique

14-juin-2024

Vonona hiray hina sy hitolona ry Rossy

«Tsy misy mifampatahotra eto raha misy vinany eo io»

Sample post image

Nanamafy ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy fa tena nanjakan’ny tsy tan-dalàna ny fifidianana

14-juin-2024

solombabavam-bahoaka farany teo tao amin’ny Boriborintany IV eto Antananarivo. Efa nialohan’ny fifidianana no nandeha ny teti-dratsy samihafa, toy ny fanoloana sefom-pokontany. « Hatramin’ny voalohany izahay no efa nampahafantatra fa misy mikononkonona hala-bato. Tsy manendriketrika olona, fa olona miaraka daholo, izahay tao anatiny tao no lasa tsy miankina, ka fantatray tsara ny fomba fiasany. Koa manao antso avo, indrindra amin’ny Filohan’ny HCC izay fantatro tsara », hoy i Rossy. Nampahatsiahy ny tenany fa efa nanome toky ity filohan’andrim-panjakana ity hoe : izay manao vinany dia manao aminareo, ka tratra izy ireo miaraka amin’ny porofo dia ampiharo fotsiny ny lalàna. Vonona hanohana ireo hetsika ho fampanjakana sy famerenana ny hasin’ny fifidianana izy sy ireo kandida tao amin’ny Boriborintany faha-4. Tonga nanatitra fitoriana teny amin’ny HCC I Rossy, Ramboasalama Emilien, Andrianarisoa Josiane, Andrianjato Vonison. «Tapa-kevitra tanteraka izahay, fa raha misy vinany eto tsy misy miala amin’ireo, raha misy vinany eto tsy misy mifampatahotra, raha ilaina ny midina any amin’izay tokony hidirana miray hina amin’ireo rehetra efa mimenomenona. Hitanareo ny haterezam-bahoaka, ary izaho mino fa mihaino radio sy mijery tele ary mahita facebook ianareo, fa tsy misy olona adala eto ka hanakorontana firenena amin’ny tsy ahoan-tsy ahoana, fa matoa ny olona miteny dia misy antony. Matoa ny olona miteny fa ny HCC manao hoe : azo raisina fa tsy mitombina dia efa miomana izany fa izany no hoteneniny, fa izahay mahatoky fa mba tsy ho izany », hoy i Rossy. Nilaza kosa ny kandida Emilien Ramboasalama fa maro ny tsy tomombana sy fandikan-dalàna tany amin’ny Biraom-pifidianana maro be toy ny teny Angarangarana, Anosibe, Namontana,… Tahaka izany ihany koa ny karapanondro sy kara-pifidianana nivangongo tany aman’olona tsy tompon’andraikitry ny fokontany, ny fivezivezena teo amin’ny biraom-pokontany maro sy ny biraom-pifidianana olon’ny kandida avy amin’ny vovonana, olona nampidirina hifidy kanefa tsy manana kara-panondro na karatra hafa hahafantarana ilay olona mitondra kara-pifidianana, fisiana olona mitsena mpifidy sy manangona andian’olona any ivelan’ny biraom-pifidianana toy ny teny Ampefiloha Ambodirano, Tsimbazaza, Mahamasina, Anosizato,… Tahaka izany ihany koa ny fanombohana fifidianana kanefa tsy misy lisitry ny mpifidy. Ny tena zava-doza dia ny fividianana vola 5000, 10000, 15000Ar ny safidim-bahoaka tamin’ny alalan’ny bileta efa voamarika nialoha nentina nanaraotana ny fahantran’ny olona, hoy hatrany i Emilien Ramboasalama. Nanamafy ny solontenan’ny kandida Andrianjato Vonison, fa manana fahavononana hiara-hitolona manoloana ny zavatra rehetra tsy mety eto amin’ny Firenena. Mbola misy Fanjakana ve eto ? Raha ireny zavatra mitranga ireny, raha taty amin’ny ankolafintsika no nanao an’ireny efa tany Tsiafahy, hoy hatrany ny solontenan’ny kandida Vonison Andrianjato.


« Manerana an’i Madagasikara ny hatezeram-bahoaka. Ny zavatra hitranga dia hiray hina ireo olona ireo hitaky ny zava-marina, raha raha tsy izay no miboaka eo. Raha zavatra mandeha amin’ny laoniny io dia milamina ny tany sy ny Fanjakana, raha tsy milamina io dia handray anjara feno amin’ny hetsika izao sy ny mpiara-dia amiko. Ny zandary, miaramila, fitsarana, dia tokony ho «arbitre », ary manao « encardrement » no tokony hataony », hoy i Rossy nanamafy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2025

nambaran’ny filoha frantsay Emmanuel Macron, omaly alakamisy 24 Aprily 2025,

Card image cap
25-avril-2025

Ny 37,5%n’ny vola miasa amin’ilay tetikasa Volobe moa izany no hoe hovatsian’ny fitondràna frantsay

Card image cap
25-avril-2025

Henjana sy nahitsy ny Filoha Kaomorianina tao anatin’ny lahateniny tao anatin’ny Fivoriamben’ny COI sady

Card image cap
25-avril-2025

Manoloana ny fitsidihana arapanjakana hataon 'ny filoha frantsay Emmanuel Macron

Card image cap
25-avril-2025

Mahafinaritra ny mahita ny tanàna madio sy milamina, hoy ny Kristianina

Card image cap
24-avril-2025

Tanterahana eto Madagasikara anio 24 aprily 2024 ny Fivoriamben’ny COI na Vaomieran’ny

Card image cap