airtel

Politique

17-nov-2023

Vovonana mpanelanelana PAN-FFKM

Nanamafy ny tsy fahatomombanan’ny fifidianana

Sample post image

Nigadona ny datin'ny 16 novambra 2023. Samy nanefa ny adidiny na ny nifidy na ny tsy nifidy arakan'ny andraikitra sahaniny avy.

17-nov-2023

Tsy hifanomeze-tsiny fa ny Vovonana moa dia nangataka hatrany ny fanemorana ny fifidianana Sanatria tsy niteniteny foana ny Vovonana raha nitatitra ny ahiahin'ny maro fa hisavorovoro ny sain'ny vahoaka, ka tonga ary ny fotoana hifampandiniha-tena sy handinihantsika ny dikan’ny fifidianana, fa tsy hifikitra fotsiny amin'ny famakafakana ny fahombiazana na ny mety tsy fahombiazana », hoy ny fanambaran’ny Vovonana mpanelanelana tarihin’ny Filohan’ny Antenimierampirenana sy ny FFKM omaly. Izany no anantitrateran'ny Vovona fa mbola tsy levona akory ny fanantenana, hoy izy ireo, ka naneho fa izao indrindra no fotoana tokony hatsiarovantsika fa ny hafatra sy ny fenitra ary ny finiavana nanan'ny Vovonana hatramin’izay dia tsy tontan'ny andro. « Koa sahia ary isika hiara-midinika, hifanakalo hevitra sy hifampizara mba hifanohanana amin'ny finiavana Masina ny Malagasy, manana ny hasiny i Madagasikara ka tsy afaka handraraka ilo mby andoha isika », hoy izy ireo. Marihina fa talohan’ny fifidianana, dia nanamarika izy ireo taorian’ny fanasoketana azy, ka nilaza fa tsy vovonan’ny mpanohitra, saingy tsy mankatoa fifidianana tsy manaraka ny fenitra, teren-ko masaka na tery vay manta. « Fifidianana madio sy milamina ary eken’ny rehetra no ilaina ho an’ny fandalana ny demokrasia. Ny didy maro navoakan’ny HCC no isan’ny tranga mahatonga izany. Tompon'adraikitra feno amin'izay loza mety hitranga eto amin'ny firenena ireo izay mikiribiby hanatanteraka izany sy izay manohana azy na amin’ny fomba ankolaka na mivantana », hoy ity vovonana ity tamin’izany, izay tsy sasatra naneho ireo tsy fahatomombanana. « Tsy diso raha milaza fa tsy mbola nisy taham-pandraisana anjara tahaka izao, ka manantitra sy manamafy izahay fa misavorovoro ny sain’ny olona », hoy ny Pr Raymond Ranjeva omaly. Mitohy ny fanelanelanana ary miantso ny hery rehetra izy ireo ao anatin’izany. Asa hanao ahoana tokoa ny ho tohin’ny tantara ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap