airtel

Politique

04-août-2022

Politique

Vovonana vaovao ho an’ny fitohizan’asa “Olana ara-drafitra io mampahantra antsika io”

Sample post image

Ny oktobra 2021 izahay no efa niteny, hoy ny Vovonana vaovao ho an’ny fitohizan’asa na “Nouvelle plateforme politique pour la continuité”,

04-août-2022

fa fialokalofan’ny olona mpiatsara ivelatsihy fotsiny anatin’io IRD io. Taty aoriana moa voamarina fa nisy ny niala ho azy, hoy ny filohan’izy ireo, Tolojanahary Maharavo na Doudou. Nisy ny fanavaozana tao anatin’io vovonana natao hiaro ny filoham-pirenena io. Tsy afaka ny hangina izahay mahita ny raharaham-pirenena ankehitriny. Mifamahomaho be, mifanenjana, mifanome tsiny tsy hifankahitana ny mpiray firenena manoloana ny fahasahiranana misy. Adinodinonareo tanora tsinona, indrindra, ny tantaran’ity Madagasikara ity izay azo zaraina 2 lehibe. Efa nisy hatramin’ny repoblika voalohany io fahantran’ny gasy io. Vao nahatsiaro saina kely fotsiny aho dia efa nahantra. Ny ankamaroanareo ireo vao teraka dia efa nahantra. 126 taona izao isika no niaradia sy niara-nitantana tamin’ny frantsay. Hatramin’ny taona 1896 mandram-pahatongan’ny 2022. Tonga ny eoropeanina tamin’ny alalan’ny ACP na “Afrique, Caraïbe, Pacifique” tamin’ilay fifanarahan’I Cotonou dia niaradia tao foana isika. Rava noho ny fihetseham-bahoaka ny repoblika voalohany ny taona 1972. Niditra tetezamita notantanan’ny jeneraly Ramanantsoa dia avy eo repoblika faharoa notantanan’ny filoha Ratsiraka. Taom-piasana lavabe. Nahantra fara-tampony ny gasy tao anatin’izany tolom-piavotana izany. 1991-1992 nisy fihetseham-bahoaka koa dia rava ny fitondrana Ratsiraka. Fahantrana sy trosa tsy nifankahitana no nobaben’ny firenena. Tonga ny profesora Zafy Albert sy ry Ravony Francisque nametraka ny “ajustement structurelle”. Fepetra farany enjana tsy nifankahitana no napetraky ny mpamatsy vola antsika. Niongana mihitsy ilay filoham-pirenena. Nitarika tetezamita ny raiamandreny Ratsirahonana dia tafaverina ny filoha Ratsiraka. Nisy ezaka be sy fanovana natao dia tonga tamin’ny atao hoe “point d’achèvement”. Tratra ny fepetra marobe notakian’ny mpamatsy vola. Niteraka fanafoanana trosa marobe. Tonga ny filoha Ravalomanana, Rajaonarimampianina, Rajoelina. Nahantra ihany isika. Olana ara-drafitra noho izany no fahitanay io mampahantra antsika io fa tsy hoe ireo filoham-pirenena nifandimby rehetra teto no diso. Andao izay no hanaovana adihevitra ifotony fa olana lalim-paka. Izay no tokony hiaraha-mitady vahaolana hoe inona ilay rafitra tena mety amintsika fa tsy hifanome tsiny lava eto? Ny firenena rehetra nitovitovy tamintsika lasalasa daholo fa isika eto. Misy tsy azo hanoharana tokony hialana ao no dikan’izany. Izahay izao hanokatra adihevitra mikasika ny lafy ratsin’ity “democratie liberale” dongiantsika ity. Misy rafitra tsy sahin’ny mpanao politika toherina ao fa mialokaloka ao daholo, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Legende: Hiverina hiteny foana indray izahay, hoy ry Doudou sy ny tariny
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap