airtel

Politique

30-mars-2023

Politique

Yan Wilfried Ramananirina “Inona no olan’i depiote Rossy e ?”

Sample post image

Tsy tokony ho adinon’ny olona fa nivoaka tao amin’ny lisitry ny vondrona IRD ny filohan’ny antenimieram-pirenena,

30-mars-2023

hoy ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny mponina, Yan Wilfried Ramananirina, tetsy amin’ny Kudeta Carlton Anosy ny talata teo. Olona mahaylalàna izy, hoy izy. Fantany tsara ny fitsipiky ny antoko. Fantany ny andininy faha 72. Fantany ny fitsipika anatiny mifehy ny antenimieram-pirenena. Ny olana dia tsy voafehiny ireo depiote namany hafa IRD. Lasa nitsangana ho mpanohitra. Mpanohana ny filoham-pirenena avy aty ivelany aho satria tsy mba manana fahafahana hiresaka amin’ny filoha Andry Rajoelina raha tsy amin’ny alalan’ny Facebook aho. Nanaiky hilatsaka amin’ny anaran’ny IRD izay vovonana mitondra ny anaran’I Andry Rajoelina ianao. Raha tapa-kevitra andeha irery na hanohitra na haneho ny hevitrao manokana izany ianao dia tokony tapahanao aloha ilay tadim-poitra dia ilay anarana IRD. Tokony asiana etika. Maninona raha mametra-pialana aloha dia ampiakarina ny lisitra faharoa na “suppléant” dia maneho hevitra manokana amin’izay izy avy eo? Tokony mahay maka fepetra ny vondron’ny filoham-pirenena dia ny IRD mampihatra ilay andininy faha 72. Mbola niteraka lonilony iny fitsipaham-pitokisana na “motion de censure” iny hatramin’izao. Dia izany ve no mahatonga ny mpanao politika tsy mahazo maneho hevitra na manao fanamarihana? Fanamarihana no nataoko ary tsy nahafaly ny depiote Rossy. Raha samy manohana, inona no olan’i depiote Rossy? Azony atao ny mampiantso ahy izay Dircab kely ity hoe zandry, aza manao io fanehoan-kevitra io ianao fa manakorontana ireo depiote efa lasa any ananona any. Lasa manome hevitra ny prezida indray ianao hanala ny anarana maha depiote an’ireo olona ireo. Politika tsy mety izany amiko. Izany no isany mahatonga ity firenena hiodinkodina foana amin’ny fahantrana. Tsy te hiainga amina zavatra tsy madio isika. Ny olona ao anaty fitondrana foana no manohitra ny zavatra teneniko. Anjaran’i Prezida no mijery hoe iza marina no namana hiaraka aminy? Izao ilay miteny ny olan’ny IRD ve no naha tezitra an’I depiote Rossy, hoy hatrany ny tenany ?
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

02-oct-2023

Fitakiana io ary zon’ny rehetra ny midina an-dalambe, tena zo izany ary ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay tsy

Card image cap
02-oct-2023

Mizara roa ny fanaovana politika, ka misy ny mitaky ny hanajana ny fiandrianam-pirenena sy ny fanjakana tan-dalàna

Card image cap
02-oct-2023

Ho mafy ity tolona ity, hoy ny mpitarika ny Hetsika fotsy, Hary Razafindrazaka! Be loatra, hoy izy,

Card image cap
02-oct-2023

Namoaka fanambarana manamafy ny hisian’ny fitarihana vahoaka eny amin’ny Kianjan’ny 13 may anio

Card image cap
02-oct-2023

Anio ny fotoana voatondro hisian’ny fidinana an-dalambe eny amin’ny Kianjan’ny 13 may

Card image cap
02-oct-2023

Araka ny efa nampozina sy efa mahazatra, namoaka fanambarana ny OMC (Organe Mixte de Conception)

Card image cap