airtel

Politique

01-avril-2022

Politique

Zavatra tsy vita Diso fanantenana amin-dRajoelina i Manakara…

Sample post image

Tany Manakara no nanamarihan’ny Filoha Rajoelina ny fahatsiarovana ny faha-75 taonan’ny tolo-panafahana 29 martsa 1947.

01-avril-2022

Tany ihany koa no toerana voatondro nialoha fa saika hanatanterahana ny fanamarihana ofisialy ny andro ho an’ny zon’ny vehivavy 8 martsa roatokombolana lasa izay, saingy nafindra tao Antsirabe, ka faharatsian’ny toetr’andro no voalaza fa antony. Raha ny vaovao azo tany Manakara, tsara ny andro tany tamin’io. Misy kosa anefa ny loharanom-baovao manokana azo tany an-toerana tamin’ireny, fa narisarisa ireo mpitondra tompon’andraikitra sy mpitondra amin’ny kaominina, voalaza fa misy ihany koa ny tsy fifankahazoana eo amin’ny depiote sy ny governora. Ny Tale Kabinetran’ny faritra «nifandraratefaka» teo amin’ny lisea, ary mety ho matahotra hamory vahoaka satria tsy misy angamba ny zavatra homena azy avy eo, hoy ny fanehoan-kevitra tsy fampiantranoana ny 8 martsa. Fa ny tena goavana, dia voafaritra fa tokony hotokanana ny 8 martsa 2022 ny tetezan’i Manakarabe, izay tapaka an-taonany maro, saingy tsy vita, ary mbola tsy vita hatrany tamin’ity fiverenany ity. Voalazan’ny Mpikamban’ny “Miara-manonja” iray aza fa efa nisintaka ny orinasa nanao azy satria tsy voaloha ny “engagement budgétaire” 20%. Nandritra ny propagandy ny 26 oktobra 2018, nampanatena i Andry Rajoelina fa hatsangany ao Manakara ny orinasa famokarana « jus de letchis » ary hasiana « Centrale solaire” mba ahafahana mampihena ny vidin-jiro, hasiana EPP, CEG ary lisea sy kianja sentetika manara-penitra ho an’ny tanora. Tamin’io ihany koa no efa nilazana fa amboarina ao anatin’ny fotoana fohy ny Pont Manakara Be. «Mbola maro ireo fotodrafitrasa ho ataoko miaraka aminareo toy ny fanarenana ny hopitaly manara-penitra, koa ampio aho ahafahako manampy anareo”, hoy i Andry Rajoelina tamin’izany. Nisy ny ampahany vita fa ny tsy tanteraka no betsaka. Ny 7 febroary, mbola nampanantena indray i Andry Rajoelina, ary nilaza fa ho vita ao anatin’ny fotoana fohy i Manakarabe, nandeha ny resaka fa hotokanana ny 08 martsa, mbola tsy vita ny 29 martsa ihany koa mazava ho azy, ka diso fanantenana ny olona!
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap