filoham-pirenena sy ny 20 desambra ho fiodinana faharoa dia nihetsiketsika naneho hery sy fanohanana an’izatsy sy i zaroa ireo mpanao politika, hatramin’ireo mpisolelaka, hoy ny praiminisitra lefitra teo aloha, Zaza Ramandimbiarison. Manoloana ny fahantram-pirenena sy ny tsy fisian’ny antoka ho an’ny toekarena eto Madagasikara, hoy izy, dia tsy mahagaga ihany koa raha mbola mizotra amin’ny hita hatramin’izay ihany ny fomba fanao politika eto rehefa akaiky fifidianana toy izao. Mihevitra ny ankamaroan’ny mpanao politika fa satria heniky ny harena voajanahary ity firenena ity dia ilain’izy ireo ny manao izay hahazoana toerana anaty fitondrana mba hahazoany misitraka izany ho amin’ny tanjony manokana. Ilaina, noho izany, hoy hatrany ny tenany, ny fanorenana ifotony ny fanjakana na “Refondation de l’Etat” mihitsy mba hahafahana miatrika araka ny tokony ho izy ireo olana misy.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby