airtel

Politique

25-avril-2022

Politique

Zaza Ramandimbiarison « Sarintsarim-pampandrosoana no miseho eto »

Sample post image

Sarintsarim-pampandrosoana no hita ho miseho eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, hoy ny praiminisitra lefitra teo aloha, Zaza Ramandimbiarison.

25-avril-2022

Hitondra inona ho an’ireo malagasy mahantra manodidina ny 21 tapitrisa ny dolara an-jato tapitrisa nomen’ny banky iraisam-pirenena antsika, hoy izy? Azo antoka fa ny manahirana ny malagasy maro an’isa izao dia izay hivoahany amin’ny fahantrana lalina sy miavosa niainany nandritr’izay taona maro izay. Indrisy, ho an’ireo manam-pahefana kosa dia taratra amin’ireo fitsidiham-paritra sy serasera ataony amin’ny haino aman-jery isan’andro, toy ny dian’ny filoha mamimbahoaka tany Washington, fa hafa mihitsy no laharam-pahamehana ho an’izao fitondrana mijoro izao. Mifantoka loatra amin’ny vola sy famatsiam-bola ny paikam-pampandrosoana kasain’ny fitondrana raha toa ka tsy mifanaraka amin’izany kosa ny zava-misy eny an-kianja. Hiaka-bidy hatrany ny vidin’ny vokatra ato anatiny raha toa ka mitohy mitotongana ny fiainan’ny Malagasy isam-baravarana. Raha mba mifantoka amin’ny ara-toekarena izao ny fomba fitantanana eto dia azo antoka fa hivoatra ny fiainan’ny malagasy manontolo amin’ny alalan’ny fampitomboana ireo vokatra indostrialy sy ireo asam-panjakana andoavam-ketra hampandrosoana ny tontolo andrenivohitra. Raha tamberin’andraikitra azo avy amin’ireny rehetra ireny ankehitriny no tokony ho gohan’ny vahoaka manontolo dia iarahantsika mahalala, indrindra, any amin’ny tontolo ambanivohitra fa ny tsy fanjarian-tsakafo, ny tsy fandriampahalemana, ny kere, ny vidim-piainana midangana sy tsy fanjariam-piainana isan-karazana no mameno ny andavan’andron-dRamalagasy. Mitaky fanovana mankany amin’ny tanjona ho amin’ny tsaratsara kokoa ny zava-misy ankehitriny ary mitaha amina mpiazakazaka am-bisikileta mananika tendrombohitra isika izao, izay mila mananika ny tendro fa raha tsy izany dia mianjera raha toa mijanona an-tenantenan-dalana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap