airtel

Politique

27-juin-2023

Politique

Zaza Ramandimbiarison «Voahitsakitsaka ny hasin’ny foloalindahy»

Sample post image

Ry Anabavy sy Rahalahy, "Tandroka aron’ny vozona", fotoana izao hampisehoana ny fotokevitra ijoronareo dia ny " Ho an'ny Tanindrazana",

27-juin-2023

hoy ny mpanao politika sady praiminisitra lefitra teo aloha, Zaza Ramandimbiarison. Amin'izao fankalazana ny fetin'ny foloalindahy sy ny niverenan'ny fahaleovantena izao ary manoloana ny fananan'ny ny filohan’ny repoblika malagasy zom-pirenena frantsay dia mandalo fotoana sarotra ny firenena, hoy izy. Mandry tsy lavo loha ny vahoaka malagasy; very fanahy mbola velona. Sarotra amin'ny malagasy ny mbola hino fa hiantoka tanteraka fiarahamonina madio tsy misy tomika ho an’ny malagasy andriamatoa Andry Rajoelina. Mahantra ny malagasy. Kamboty tsy manana raiamandreny izay hiaro marina sy feno ny zony. Ny filohan’ny repoblika no miantoka ny fiarovana sy ny fanajana ny fiandrianam-pirenena na anatiny na ivelany. Izy no komandy fara-tampon’ny foloalindahy, araka ny lalàmpanorenan'i Madagasikara. Indrisy anefa, ny filohan’ny repoblikan'i Madagasikara, andriamatoa Andry Rajoelina, komandy faratampon’ny foloalindahy, araka ny lalampanorenan’i Madagasikara, dia nataon' ny firenena frantsay “Naturalisation" frantsay ny 19 novembre 2014 ary nivoaka tamin’ny Journal Officiel frantsay ny 21 novembre 2014. Izany hoe manana zo feno maha olompirenena frantsay azy. Voahitsakitsaka ny hasin'ny tanindrazantsika. Voahitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena. Tsy misy ny maha firenena mahaleotena an’i Madagasikara intsony, izay neken'ny "Charte des Nations Unies" ho hisy sy hahaleotena. Voahitsakitsaka ny hasin'ny foloalindahy izay tokony mijoro, miaro ny fiandrianam-pirenena sy izany fahaleovantenan'i Madagasikara izany. Fotoana izao ry Anabavy sy Rahalahy "Tandroka aron’ny vozona" sy mpiray tanindrazana hijoroana sy hahasahiana fa ny tanindrazana no aloha sy ambon’ny zavatra rehetra ho anareo foloalindahy. Tanindrazana izay efa namonoan'ireo raiamandreny ny ainy tamin'ny ady ho an’ny fahaleovatenantsika mba hiadanan'ny ambany lanitra. Masina ny tanindrazana. Mahereza, soava tsara! Mitomboa hasina ry Anabavy sy Rahalahy "tandroka aron’ny vozina", hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap