ary nandray anjara sy niara-niasa tamin’izany ny ICMPD (International Centre for Migration Policy Development) nanomboka ny volana aprily 2022 ka nijerena ny fomba rehetra afahana manatanteraka ny zo hifidy ho an’ireo mpiray tanindrazana any ivelany, araka ny tatitra. Nandray anjara tamin’ny fihaonana ny avy ao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Primatiora, ny Ministeran’ny Atitany sy Fitsinjaram-pahefana, ny Ministeran’ny Fitsarana, ny CENI ary ny Vondrona eropeanina izay mamatsy vola ny tetikasa. Hitohy hatrany ny dinika iarahana amin’ireo mpisehatrra samihafa toy ny fiarahamonim-pirenena afahana manolotra ny tolo-kevitra mifandraika amin’izany eo anivon’ny fanjakana mahefa. Raha hiverenana hatrany, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina no nampanantena an’io nandritra ny fihaonana tamin’ireo Diaspora tany Frantsa ny aogositra 2021 ka manomboka ny fifidianana 2023 no nambara fa hahatanterahan’izany. Vonona hiditra amin’ny fikitihana sy fanovana ny lalàm-pifidianana ary ve ny Fanjakana Rajoelina? Hanao ahoana ny hoenti-manana ara-bola? Ny diaspora any Frantsa ihany sa maneran-tany ? Tena ho tratra amin’ity 2023 ity ve ?
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby