08-févr-2022
Ny Firenena sy ny raharaham-panjakana tsy voafehy, ny asa mitombo noho ny loza voajanahary, ny governemanta misy olona mifamely mivantana sy ankolalaka, ny tsiambaratelom-panjakana mivoaka,
Hamaky ny tohiny4.311.800.000 ariary mahery no totalin’ny vola mikasika fanodikodinana fiaram-panjakana tao amin’ny CNLS izay sampan-draharaha misahana ny ady amin’ny aretina SIDA eto amintsika, rah any vokatry ny fanadihadian’ny
Hamaky ny tohiny
08-févr-2022
Ny 87%-n’ireo mponina any amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Androy no lasibatry ny fahantrana tanteraka amin’izao indrindra fa ny any ambanivohitra.
Hamaky ny tohiny
08-févr-2022
Sarotra ny fanarenana ny fiantraikan'ny loza voajanahary eto amintsika. Eo ny lafiny teknika, fa ny ara-bola indrindra indrindra. Mila miantehitra amin'ny mpamatsy vola sy ny mpanampy vao tena afa-mihetsika,
Hamaky ny tohiny
08-févr-2022
Kianja Barea mitentina 77 tapitrisa dolara. Colisée 20 tapitrisa dolara. Teleferika 150 tapitrisa Euro. 6000 dolara na 24 tapitrisa ariary, izany hoe,
Hamaky ny tohiny
08-févr-2022
Teto no toerana saika naha voatifitra ahy niaraka tamin’ny prezida Etienne, hoy ny filohan’ny fikambanana Tanora mijoro ho an’i Madagasikara na TMM sy Tanora miaro ny fitondrana na TMF,
Hamaky ny tohiny
08-févr-2022
Nahatratra 20 ny isan’ ireo olona namoy ny ainy teto amintsika vokatry ny fandalovan’ilay rivo-doza Batsirai, raha araka ny tatitry ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC.
Hamaky ny tohiny
08-févr-2022
Tsy vao izao isika no nandalo rivodoza, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Raha jerena fotsiny ny naha samihafa ny tamin’ny Geralda sy tamin’izao fandalovan’ny Batsirai,
Hamaky ny tohiny
08-févr-2022
Kaominina telo eto amintsika no fantatra fa nosafidian’ny Ministeran’ny tontolo iainana hanatanteraka ilay asa fanodinana fako entina hampiroboroboana ny asa fihariana.
Hamaky ny tohiny
08-févr-2022
Miatrika ny fanarenana taorian’ny rivodoza Batsirai i Madagasikara, izay namela takaitra goavana indrindra iny ilany atsinanana sy atsimo atsinanan’ny Nosy iny.
Hamaky ny tohiny
08-févr-2022
Misaotra an’Andriamanitra fa tsy nandalo teto Antananarivo ny rivodoza Batsirai, hoy ny sekretera jeneralin’ny fikambanana IFI,
Hamaky ny tohiny
08-févr-2022
Nampahatsiahy ny tenin’ny soratra masina voalaza ao amin’ny bokin’ny Joela 1,17 omaly ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana na HMF.
Hamaky ny tohiny
08-févr-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.