06-juil-2022
Tsikafon’ny zava-misy ny tsy maha marin-toerana sy tsy mahay mitantana ny Fanjakana TGV – Mapar an-dRajoelina. Vao niandoha dia toa efa niorina teo ambony tsy fahamarinana. Ny fifidianana 2018 nahiana ho nisy hala-bato goavana, saingy soa fa nisy ny CAN 2019 nandraisan’ny Barea anjara, ka takotakona teo ny olana ara-politika.
Hamaky ny tohinyMafimafy tato ho ato ny fifanasana vangy politika teo amin’ireo antoko neverina ho nanjaka tokana tamin’ny fifanandrinana politika tato anatin’ny 13 taona.
Hamaky ny tohiny
06-juil-2022
Nampiteny ny moana ny delestazy ny faran’ny herinandro teo teto Antananarivo sy ny manodidina. Misy naharitra adin’ny 9 tsy an-kiato ny sasany, tao aza ny nahatratra 12 ora,…
Hamaky ny tohiny
06-juil-2022
Olana tsy mety voavaha ny tsy fandoavan’ny Fitondram-panjakana ny tambin-karaman’ireo mpampianatra mpitsara fanadinam-panjakana eto amintsika.
Hamaky ny tohiny
06-juil-2022
Misy mitady hifofo ny ain’i Ninie Donia, izay any am-ponja noho ny resaka fiarovana tany ao Nosy Be amin’izao fotoana izao,
Hamaky ny tohiny
06-juil-2022
Misaona indray ny sehatry ny baolina kitra Malagasy. Nodimandry teo amin’ny faha-21 taonany ny alatsinainy teo i Sebastien Daniel Ralandiranto,
Hamaky ny tohiny
06-juil-2022
Tovolahy miisa 02 no voasambotry ny Polisy ny 04 jolay lasa teo tokony ho tamin'ny 02 ora sy sasany teny Antalamohitra Ambohijanahary rehefa nivarotra sy nifoka rongony.
Hamaky ny tohiny
06-juil-2022
Ny tena izy amin’ny demokrasia, hoy ny filohan’ny antoko politika Teza, Dr Jean Louis Rakotoamboa, raha tsy eo amin’ny fitondrana ianao dia midina any amin’ny faritany mitily ny olana any.
Hamaky ny tohiny
06-juil-2022
Misokatra ny taom-piotazana lavanila. Efa nisantatra izany nanomboka ny 2 jolay ny tao amin’ny Faritra Vatovavy raha toa ka ny 7 jolay ny an’ny SAVA sy Analanjirofo.
Hamaky ny tohiny
06-juil-2022
Nanao tatitra ny raharaha tany Nosy be tetsy amin’ny foibeny etsy Bel’air omaly ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara.
Hamaky ny tohiny
06-juil-2022
Tonga omaly maraina teny Ivato ireo katitakely latsaky ny 13 taona na U 13 ao amin’ny klioban’ny baolina kitra Malagasy, Elgeco plus,
Hamaky ny tohiny
06-juil-2022
Tafahoatra ny fanandevozana ao Nosy be nefa tsy nifidy mpanjaka isika, hoy ny mpitondra tenin’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, Edouard Tsarahame.
Hamaky ny tohiny
06-juil-2022
Notanterahina omaly talata 05 jolay 2022 tao amin’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa eny Fiadanana ny CPU (Conférence des Présidents des Universités)
Hamaky ny tohiny
06-juil-2022
Manao tohivakana ny olana eto amin’ny tany sy ny Fanjakana. Tafiditra ao anaty krizy lalina vokatry ny tsy fahaiza-mitantana ny firenena.
Hamaky ny tohiny
06-juil-2022
Arahi-maso akaiky manomboka izao ny fivoaran'ny valan’aretina misy eny anivon’ny fiaraha-monina ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka.
Hamaky ny tohiny
06-juil-2022
Voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Vatovavy Fitovinany tany Mananjary ny lehilahy iray 22 taona afak’omaly 04 jolay rehefa nampiasa vola sandoka.
Hamaky ny tohiny
06-juil-2022
Hanolotra zava-baovao ho an’ny mpanjifany ny World Cola sy KFC manomboka amin’ity volana Jolay ity. Nampahafantarina omaly teny amin’ny KFC Akoor Digue ny andinindininy momba izany niarahana tamin’ny ekipan’ny
Hamaky ny tohiny
06-juil-2022
Vokatry ny fiaraha-miasan'ny minisiteran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovainjafy sy ny fadintseranana dia sarona tao
Hamaky ny tohiny
06-juil-2022
Olona miisa 600 avy amin’ireo Fokontany 5 ao anatin’ny Kaominina Tanjombato, distrikan’Antananarivo Atsimondrano omaly no nozaraina kopia mari-pahaterahana maimaim-poana.
Hamaky ny tohiny
06-juil-2022
Ho tontosaina ny 12 sy 13 jolay 2022 izao etsy amin’ny Parvis an’ny lapan’ny tanàna Analakely ny andron’ny tahirim-bolam-panjakana Malagasy.
Hamaky ny tohiny
06-juil-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.