17-nov-2022
Nangina ary tsy hita tabilao firy tamin’ny politika ny Filoha teo aloha Atoa Marc Ravalomanana. Paikady politika sa fakana bahana amin’ny ho avy? Ny azo antoka, tsy tongatonga ho azy ny fahanginan’ity Filoha teo aloha ity. Tombanana ho paikady politika hiatrehana ny ho avy. Maro ireo toe-javatra: ara-politika, ara-toekarena, sosialy, diplaomasia, jeopolitika,…
Hamaky ny tohinyMifarana indray ny taona, ka dia samy afaka manao tombana ahafahana maka lesona amin’ny ho avy ny isam-batan’olona.
Hamaky ny tohiny
17-nov-2022
Nisy tokantrano iray very Bajaj tao amin’ny Faritr’Amborovy ny Sabotsy teo ka tonga nametraka fitarainana tao amin’ny kaomisaria afovoany ilay tokantrano lasibatra.
Hamaky ny tohiny
17-nov-2022
Mbola vao ny 40%-n’ny vehivavy Malagasy hatreto no fantatra fa mampiasa ny fomba fandrindram-piainam-pianakaviana.
Hamaky ny tohiny
17-nov-2022
Mahatratra 9498 ny toerana na « postes budgétaires » vaovao hoforonina ao anatin’ireo sehatra isan’ny ambony ny tetibolany ao anatin’ny tetibolam-panjakana dia ny fanabeazana, ny fahasalamana,
Hamaky ny tohiny
17-nov-2022
Voarakitra ao anatin’ny volavolana tetibolam-panjakana na PLFI 2023 da mitentina 14 536 miliara Ar 3, 6 miliara dolara eo raha havadika ho vola vahiny mahery ny teti-bolan'ireo minisitera sy andrimpanjakana hoenti-miasa.
Hamaky ny tohiny
17-nov-2022
Lasa kianjan’ny trondro ny kianjan’ny kanto ao Mahamasina, hoy ny vazivazy zaritenan’ny mpanara-baovao mahita ny zava-miseho matetika anatin’ity kianja ity tato ho ato.
Hamaky ny tohiny
17-nov-2022
Nampahafantatra sy nampianatra momba ny « accident de circulation » na ny lozam-pifamoivoizana eny an-dalana
Hamaky ny tohiny
17-nov-2022
Vinavinaina hiakatra 4,2% ny tahan’ny fitomboan’ny harin-karena amin’ny 2023. Ny fivoaran’ny toe-draharaha maneran-tany sy nasionaly dia nahazoana vinavina vaovao ho an’ny fitomboan’ny harikarena ho 4,2% ny taona 2022
Hamaky ny tohiny
17-nov-2022
Mbola tsy voafaritra mazava hatreto ny daty fanombohana ny tetikasa Fly Over eo amin’ny fifanenan’ny lalam-pirenena voalohany na RN1 sy ny RN58A. Orinasa miisa 4 kosa,
Hamaky ny tohiny
17-nov-2022
Lehilahy miisa telo no saron’ny polisy avy ao amin'ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa teny Ambohimiandra akaikin'ny villa berlin ny Alatsinainy 14 Novambra teo tokony tamin'ny 11 ora sy sasany rehefa nankafy nifoka rongony.
Hamaky ny tohiny
17-nov-2022
Vaovao politika isan’ny nanamarika an’I Etazania sy maneran-tany ny nanambaran’ny filoha Amerikanina teo aloha Donald Trump tamin’ny fomba ofisialy ny fitotsahany ho kandida Filoham-pirenena indray amin’ny taona 2024.
Hamaky ny tohiny
17-nov-2022
Tontosa nandritra ny fidinana ifotony notanterahin'ny ekipan’ny DRPEB Atsimo Atsinanana ny 15 novambra 2022 teo ny fizarana ireo «kits de sécurité en mer»
Hamaky ny tohiny
17-nov-2022
Nisy trano may tao amin'ny Fokontany Evato Centre, Kaominina ambanivohitra Evato, Distrikan'i Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana.
Hamaky ny tohiny
17-nov-2022
Potika tanteraka ny CEG ao Ambatoboeny. Nilatsaka nandritra ny ora iray mantsy ny orana tany an-toerana afak’ omaly hariva nanomboka tamin'ny 6ora.
Hamaky ny tohiny
17-nov-2022
Mahakasika ny hetra trano dia tsidio ity rohy manaraka ity izay ahitana ny mason-tsivana mamaritra ny fananana mba hanombanana ny sandan’ny hofan-trano ary ahafantarana ny vola tokony aloha amin’ny kaominina,
Hamaky ny tohiny
17-nov-2022
Tolorana fanomezana, ampiana mba hanao ny tsara kokoa hatrany ny mpiasa iray raha tiany ny hanohizany ireo ezaka efa natombony.
Hamaky ny tohiny
17-nov-2022
Mivoatra manaraka ny toetr’andro ny paikady hampiasain’ireo mpisoloky eto an-drenivohitra. Rehefa tsy nandaitra intsony ilay misandoka ho mpiasan’ny JIRAMA ary miditra an-keriny any an-tranon’olona dia nahita fika vaovao indray izy ireo.
Hamaky ny tohiny
17-nov-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.