tia tanindrazana

Parution du Jeudi, 8 Juin 2023

airtel

Archive du 23-déc-2022


ampamoaka

Card image cap
Fety indray aloha !

Mitenena eo daholo izay te hiteny! Itaraino eo daholo izay tokony itarainana! Tsikerao eo daholo izay tokony ho tsikeraina fa ny fantatry ny mpitantana ity firenena ity izany izao dia fety indray aloha! Fety ny andro.

Edito

Hamaky ny tohiny
23-déc-2022

Card image cap
Siteny Randrianasoloniaiko « Tsy hananganam-pahavalo ny maha Filoha »

Nisy omaly ny fandaharana manokana nitondra lohateny hoe: “Hitafa Siteny” nataon’Atoa Siteny Randrianasoloniaiko, izay nanoritsoritra ny mety ho làlana hodiaviny amin’ny politika sy ny fahitany ny fitantanana firenena ankehitriny.

Politique

Hamaky ny tohiny
23-déc-2022

Card image cap
Fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana Nohalavaina hatramin’ny 31 janoary 2023

Nanamafy ny Vaomieram-pirenena misahana ny CENI tamin’ny alalan’ny Tale kabinetrany Atoa Jean Louis Andriamifidy omaly,

Politique

Hamaky ny tohiny
23-déc-2022

Card image cap
Antoko politika Otrikafo “Takianay ny tany tan-dalàna”

Ny alakamisy lasa teo ny nosamborina ny mpampaneno lakolosy, Andry Biahary, ka nentina avy hatrany tany amin’ny fonjan’i Fianarantsoa rehefa avy nanaovana ny fikarakarana ny antontan-taratasim-pitsarana rehetra,

Politique

Hamaky ny tohiny
23-déc-2022

Card image cap
Malagasy miara-miainga “Tsy fanapenam-bava no hahatongavana amin’ny fitoniana”

Nitohy tany amin'ny kaominina Ankilivalokely sy tany Toliara ary ny fihaonana amin'ny mpianatry ny oniversiten'i Maninday ny fidinana ifotony nataon'ny filoha nasionalin'ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM,

Politique

Hamaky ny tohiny
23-déc-2022

Card image cap
Toe-draharaha mafampana Miandrandra mafy ny tafika i Rajoelina

Nisy omaly 22 desambra 2022 ny lanonana ara-miaramila notanterahina teny amin’ny Vondron'ny mpilatsaka an’elon'aina voalohany - Ivato,

Politique

Hamaky ny tohiny
23-déc-2022

Card image cap
Fanambarana politikan’ny begalona Mampitandrina izay mitady hikitikitika ny Filoha

Nisy indray omaly ny fanambarana niraisan’ireo Begalona Lehiben’ny mpitandro filaminana notarihin’ny Minisitry ny fiarovam-pirenena,

Politique

Hamaky ny tohiny
23-déc-2022

Card image cap
Faktioran’ny Jirama Hiakatra 15% isan-taona…

Mahatratra 15% eo isan-taona ny salan’isan’ny fiakaran’ny faktioran’ny jirama, mifandraika amin’ny drafi-pamelomana ity orinasa ity.

Actualités

Hamaky ny tohiny
23-déc-2022

Card image cap
Ankatoky ny fety Mila mitandrina amin’ny sakafo lany daty sy be menaka

Anio zoma sisa dia hianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely ny fianakaviana Malagasy. Tsy afa-misaraka amin’izany ny hanim-pito loha ankoatra ny fitafiana vaovao.

Sosialy

Hamaky ny tohiny
23-déc-2022

Card image cap
Faritra mena eny amin’ny « La haute ville » Fokontany 15 nametrahana saina mena 400 isa

Tafiditra ao anatin’ny faritra mena hatrany ireo faritra eny ambonin’Anosy sy ny manodidina rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao.

Actualités

Hamaky ny tohiny
23-déc-2022

Card image cap
Ninie Donia Miha mafy ny fitakiana amin’ny famotsorana azy

Sazy mihatra 6 volana an-tranomaizina no azon’ny anabaviko Ninie Donia teo, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha ao Nosy Be, Joseph Yoland.

Politique

Hamaky ny tohiny
23-déc-2022

Card image cap
Rabejean Miarinarivo “Efa ela no tokony narenina ny fitotongan’ny kolontsaina teto”

Latsaka ambany toy ny sandan’ny Ariary ny kolontsaina teto Madagasikara tamin’ity taona 2022 ity, hoy ny mpitsoka sodina vava, mpikabary,

kolontsaina

Hamaky ny tohiny
23-déc-2022

Card image cap
Tarika Rabejean Miarinarivo Amin’ny 2023 ny rakikira voalohany

Hita ho efa manomboka miverina anaty kolontsaina tsikelikely ny olona na dia misy ihany aza ny mivoana eny an-tsefatsefany eny,

kolontsaina

Hamaky ny tohiny
23-déc-2022

Le fil d'actualité

07-janv-2021 00:00

Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.

07-janv-2021 01:00

PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.

07-janv-2021 02:00

Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.

07-janv-2021 03:00

Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.

07-janv-2021 04:00

OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.

07-janv-2021 06:00

Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.

07-janv-2021 07:00

Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.

07-janv-2021 08:00

Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.

07-janv-2021 09:00

Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.

07-janv-2021 10:00

RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.
voir plus